• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Antsalovana Antohomadinika : Mpanendaka roalahy rain-dahiny, voasambotry ny pôlisy

18/01/2023 08:29 © Midi Madagasikara

Efa maro ireo lasibatr’ireto mpanendaka ireto izay zary lasa mampikaikay ireo mponina, indrindra fa ireo mpandalo amin’izany toerana izany.

Lasa malaza ratsy amin’ny fisian’ny asa ratsy tahak’izany mantsy raha iny faritra Antsalovana Antohomadinika iny. Teo anatrehan’ny zava-nisy dia tsy nijery fotsiny ireo polisy misahana izany faritra izany, ny avy ao amin’ny poste de police avancé ao Antaniavo fa niroso tamin’ny fisafoana ireo elakelan-trano rehetra izay mety ho zohy fierenan’ireo olon-dratsy ireo, ny teny an-dalambe ary ireo toerana vory olona. Ny alatsinainy teo araka izany, lehilahy roa no voasambotra teny an-toerana. Araka ny fantatra dia efa mpanendaka rain-dahiny fanta-daza eny amin’izany toerana izany, ireto olon-dratsy ireto niaraka tamin’ny namany. Raha ny fampitam-baovao azo tokoa mantsy, tamin’io alatsinainy io tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany maraina tany ho any dia « nahatsikaritra lehilahy miisa efatra ny polisy nanao fisafoana teo Antsalovana , izy ireo izay teo ampanaovana ny asa ratsiny ka raha nahita ny Polisy dia samy vaky nandositra.

Rehefa nifanenjehana moa ireto mpanedaka ireto dia ny roa tafatsoaka ary ny roa hafa kosa voasambotra tsy lavitra teo ihany ». Somary mafimafy ihany ny fisamborana azy ireto satria sahy nihantsy sy namaly ireto mpitandro filaminana ireto izy ireo. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny pôlisy moa ireto roalahy ireto. Notanana natao andrimaso ho amin’ny fanadihadiana azy.

Tao anatin’ny fakàna am-bavany azy ireo no nilazàny fa vita hatramin’ny farany ny asa ratsy nataon’izy ireo satria dia nahazon’ireto tontakely ireto finday miisa roa ilay lasibatra. Finday, izay efa tsy tany amin’izy ireo intsony moa fa nentin’ireo naman’izy ireo, izay tafatsoaka. Marihana fa tsy mandeha tanam-polo ireto olon-dratsy ireto rehefa manao ny asa ratsiny fa tsy maintsy miaraka amin’ny fitaovam-piadiana, toy ny antsy sy zava-maranitra isan-karazany. Nambaran’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena moa fa tsy mitsahatra ny manafy ny fisafoana eny an-toerana izy ireo, mba hampisy fitoniana ho an’ireo mponina. Eo an-dalam-pikarohana fatratra ny naman’ireto tontakely voasambotra ihany koa ry zareo.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo