• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Moov_Vaovao
Image
Vaovao

Jeneraly Rakotonirina Richad : Mijoro hiaro ny fiandrianam-pirenena ny Tafika

18/01/2023 08:43 © Midi Madagasikara

Tsy mendrika ary tsy tokony hiseho eto Madagasikara ny mitranga Haïti izay ny tafiky ny firenena mikambana no tsy maintsy handamina sy hiaro azy.

Mitranga izany satria tsy manana tafika azy manokana intsony ity firenena ity vokatry ny ady an-trano sy ny fahaizan’ireo mponina any an-toerana mifandamina sy mametraka ny fiandrinan’ny fireneny. Zava-doza iray lehibe ihany koa ny tsy fahaizan’ny Malagasy mijery ny tena atao hoe fiandrianam-pirenena sy ny andraikitra tokony ho raisin’ny tsirairay isanam-baratongany eo amin’ny fiarovana ny Tanindrazana manoloana ireo ambana maro isan-karazany tsy maintsy atrehana ka mety hanapotika ny firenenna. Ohatra amin’izany ny ady any Ukraine izay any amin’ny arivo kilometatra maroamaro nefa miatraika aty Madagasikara ny voka-dratsiny.

Eo ihany koa olana ara-tsosialy sy toekarena vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro sy ireo ambana hafa noho ny fivoarana ara-tefnolojika. Marefo ny firenena manoloana izany rehetra izany. Ny minisitry na Fiarovam-pirenena, jeneraly Rakotonirina no nampahatsiahy ireo omaly nandritra ny fihaonany tamin’ireo mpanao gazety mpikirakira vaovao mahakasika ny raharaha trangam-piara-hamonina sy fiarovana ny vahoaka. Fihaoana izay nifampirahabana nohon’ny taona vaovao ary koa nanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpanao gazety ho fitadiavana hatrany ny soa iombonan’ny mpiray tanindrazana. Mila mivondrona isika ary eo anilantsika hatrany ny miaramila izay tokony ho tohanana fa ireo andry sy tohana hampanjariana ny atao hoe : fiandrianam-pirenena.

T.M.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo