• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Météomadagascar
Image
Vaovao

Cyclone CHENESO 2023 : Ho voa mafy ny faritra Diana - Sava - Analanjirofo

19/01/2023 05:17 © Moov.Mg

Cyclone Madagascar 2023 : Lasa Forte Tempête Tropicale i CHENESO. Hiteraka fahasimban’ny toeram-ponenana sy ireo fotodrafitrasa marefo ity rivodoza ity indrindra any amin’ny faritra Sava sy Analanjirofo

Nitombo hery ka lasa Forte Tempête Tropicale i CHENESO. Tamin’ny 09 ora alina teo dia tany amin’ny 178 Km avaratra atsinanan’i Sambava no nisy ny foibeny. Manohy ny diany miakandrefana izy ka mahafaka 18 Km/ora.

Niakatra ho 100 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 140 Km/ora
Etsy andaniny dia ahiana mafy ny rotsakorana betsaka (100 ka hatramin’ny 200 mm/24 ora) izay mety hitarika tondra-drano ho an’ireo faritra marefo sy mora tondraka. Mety hiitatra any Boeny sy ny afovoan-tany izany rotsakorana izany hatramin’ny Alahady.

Tsy misy fiovana ireo filazana loza

Filazana miloko mena na loza mitatao : Diana, Sava, Analanjirofo
Filazana loza manambana miloko mavo : Sofia, Alaotra-Mangoro, Atsinanana

Entanina hatrany ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Cap d’Ambre sy Mahanoro mba tsy hiandriaka mandrapahalasan’ny loza

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo