• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fenoarivo Atsinanana : Tafakatra an-jatony mahery ireo trano may

19/01/2023 07:25 © Midi Madagasikara

Mandravarava amin’ireo kaominina any amin’iny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, faritra Analanjirofo iny ny hain-trano. Hatreto, araka ny fampitam-baovao azo dia efa faninefany amin’ny tranga fahamaizana trano izay no nisy tany an-toerana. An-jatony mahery tany ho any ireo trano may ary ambony lavitra noho izay ireo traboina vokatr’izay loza izay.

Ny farany, izay niseho ny talata lasa teo, tao Anarivo Ambodivoanio, kaominina Ambodimanga II, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. Araka ny angom-baovao azo dia tokatrano nahatratra teo amin’ny 32 teo indray no levon’ny afo, ary nanodidina ny 90 isa tany ho any ireo tsy nanan-kialofana vokatr’izay. Talohan’io anefa, dia efa nisy trangana hain-trano niseho ihany koa tao kaominina Ambatoharanana, izay nahavoa fokontany anankiroa tamin’ny fotoana roa samihafa.

Raha ny fanazavana azo dia mazàna vokatry ny tsy fitandreman’ny mponina no mahatonga ny loza tahak’izao. Ny ankabeazan’ireo trano may dia vokatry ny afo miotrika ao an-dakozia, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. « Haotrik’izy ireo ao an-trano amin’ny maraina ny afo, mba tsy hiverenena hamerina handrehitra afo intsony amin’ny hariva rehefa izy ireo tafaverina avy any an-tsaha. Dia amin’iny trano mikatona iny no mahazo aina ilay afo kanefa tsy misy olona akory ao ary mitarika ny fahavoazana nony avy eo ».

Tamin’ireo tranga hain-trano nahavoa ny mponina tany an-toerana ireo dia teo anilan’izy ireo hatrany ny fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ireo delegasiona manokana notarihan’ny Goverinoran’ny faritra Analanjirofo, ny Dr Randriamanantena Marcellin, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitram-panjakana isan-tsokajiny tany an-toerana. Tonga nankahery ireo traboina izy ireo ary nitondra hatrany ny voatsirambin’ny tanana, ho entina manampy ireto olona rava fananana ireto.

Raha ny tao Ambodivoanio dia fantatra vary, voamaina, vatsy Tsinjo sy fitaovana fampiasa an-dakozia isan-karazany izy ireo, nanampy ny lelavola ho enti-miavotra indray. Nanamafy ny tokony hitandremana fatratra amin’ny afo, indrindra fa ity fomba fanaon’ny mponina ity moa ny Goverinora, amin’izao vanim-potoana mafana izao. Nanipika ihany koa izy ny tokony hitandrovana mandrakariva ny elanelana amin’ny fanorenana trano manomboka izao, hisorohana ny fiparitahan’ny afo haingana amin’ny trano hafa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo