• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Rivodoza 2023 CHENESO : Mitsahatra tanteraka ny fampianarana any amin'ireo faritra sasany

19/01/2023 08:10 © Moov.Mg

Mitsahatra ny fampianarana any amin’ireo faritra voakasiky ny rivo-doza.

Mitsahatra manomboka androany ny fampianarana ho an’ny CISCO Toamasina I sy Toamasina II nohon’ny orambe entin’ny rivo-doza 2023 CHENESO araky ny nambaran’ny Goverinoran’ny Faritra Atsinanana. Miandry ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny any ifotony kosa ny fanapahankevitra mahakasika ireo distrika hafa.

Etsy andaniny dia mampahafantatra ny ministeran’ny fanabeazam-pirenana fa miato ihany koa ny fampiarana any amin’ireo fari-piadidim-pampianarana tafiditra ao amin’ny filazana miloko mena sy volomboasary rehefa fotoanan’ny rivo-doza toa izao. Voakasik’izany fitsaharan’ny fampianarana izany araka izany ireto faritra manaraka ireto izay ao anatin’ny filazana miloko mena loza mitatao : Diana, SAVA ary Analanjirofo. Noraisina izany fepetra izany mba hiarovana ny mpianatra sy ny mpampianatra amin’ny loza mety ho aterak’ity rivo-doza ity.

Raha tsiahivina dia 75 km Atsinanana somary Avaratra Atsinanan’i Sambava no nitoetra ny foiben’ny Rivodoza 2023 Cheneso tamin’ny 3 ora maraina teo araky ny tatitry ny foiben’ny famantarana ny toetr’andro.
Araky ny tombana hatrany dia mety hiditra an-tanety amin’ny tapany Avaratry ny distrikan’i Antalaha ity rivo-doza ity eo anelanelan’ny amin’ny 7 sy amin’ny 10 ora maraina. Nikisaka nianantsimo Andrefana ny diany ary mahakafa 15 km/ora. 100 km/ora kosa ny rivotra entiny. Tsy misy fiovana kosa ny filaza loza.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo