• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Mef
Image
Vaovao

Ministeran’ny Fitatanam-bola : Tsaho ny filazana fa tsy handray karama ny mpiasam-panjakana

19/01/2023 14:40 © Moov.Mg

Nananatanteraka fidinana tsy ara-potoana teny anivon’ny Paierie Générale Antaninarenina ny ministry ny toe-karena sy ny Fitantanam-bola, Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, anio maraina. Tamin’izany no nilazany fa tsy marina ny tsaho mihely izay milaza fa tsy handray karama ny mpisam-panjakana amin’ity volana ity.

« Ny karama izany dia « reponse obligatoire », tsy maintsy omena na inona na inona mitranga eto amin’ny firenena. Tsy maintsy lohalaharana foana ny Karama », hoy hatrany ny ministra. Ary efa nalefa any anatin’ny kaontin’ny ireo mpiasam-panjakana rehetra ny karaman’izy ireo, izay manaporofo fa voaloha antsakany sy andavany ny karama.

Miantso ny mpiasam-panjakana ho tony izy araka izany, manoloana ny fihelezan’izao vaovao tsy marina izao. Nambarany ihany koa fa handray andraikitra ny mpitandro ny filaminana raha mbola misy olona minia manakorontana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo