• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Mppspf_Région_Analanjirofo
Image
Vaovao

Cyclone CHENESO : Tafiakatra 2 192 ireo olona traboina manerana ny nosy

19/01/2023 17:15 © Moov.Mg

Andro ratsy CHENESO : Miisa 2 192 ny traboina hatreto

2192 ireo olona traboina amin’izao fotoana izao, izay hita any amin’ny faritra Analanjirofo avokoa, araka ny tatitra nataon’ny BNGRC mahakasika ny rivo-doza CHENESO, tamin’ny 4 ora hariva teo. Avy amin’ny fianakaviana 730 ireo tra-boina ireo. Olona miisa 214 avy amin’ny tokatrano miisa 72 ihany ko no voatery nafindra toerana vokatry ny fiakaran’ny rano be loatra. Napetraka eny amin’ny toerana voatokana eo anivon’ny Medair sy eny amin’ny CSB II ireto farany.
Etsy andaniny dia mampahafantatra ihany koa ny foibe famantarana ny toetry ny andro fa hijika hatrany ny orana ho amin’ny andron’ny rahampitso ary mety hahatratra 50 hatramin’ny 100 mm amin’ireto faritra manaraka ireto ho amin’ny tapany maraina : Diana, Sofia, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Atsinanana ary Vatovavy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo