• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Midimadagasikara
Image
Vaovao

Fandrobana niharo fitifirana tetsy Behoririka : Efa-dahy nalefa eny Tsiafahy, vehivavy iray eny Antanimora

20/01/2023 09:19 © Midi Madagasikara

Telo herinandro taty aorian’ilay fanafihana niharo fitifirana olona tetsy Behoririka, hita ary voasambotry ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra « Tana Ville », ny sasany tamin’ireo olon-dratsy tompon’antoka tamin’izany. Hatreto dia olona dimy no voarohirohy : lehilahy ny efatra ary vehivavy ny iray.

Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia omaly izy ireo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ka avy hatrany dia nadoboka teny Tsiafahy ireo lehilahy ary nalefa eny Antanimora kosa ilay vehivavy. Raha tsiahivina dia fanafihana antoandrobe nanahary, tamin’ny toerana be olona tetsy Behoririka mihitsy no nitranga. Lehilahy iray, avy naka vola tamin’ny banky no notafihan’ny andian-jiolahy nitondra môtô. Tsy vitan’ny voatafika fa avy hatrany dia notifirin’ireo olon-dratsy tsy am-pihambahambana ilay lehilahy ary maty tsy tra-drano. Vola manodidina ny 136 tapitrisa ariary kosa no fantatra fa very tamin’izay fotoana izay.

Taorian’izay tranga izay dia nandray an-tanana ny raharaha ireo zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Tana Renivohitra, nanao ny fanadihadiana sy fikarohana ireto jiolahy mitam-piadiana ireto. Namokatra avy hatrany izany fikarohana izany satria izao nahatratra azy dimy mianadahy izao. Tsara ny manamarika, hoy ny teo anivon’ny zandary, fa samy niray tsikombakomba sy niray tendro, nahatanteraka izany fanafihana mitam-piadiana izany avokoa izy dimy ireto.

Ary ny lehilahy roa tamin’izy ireo aza dia efa jiolahy tena rain-dahiny, efa nigadra teny Tsiafahy. Hatreto, hoy hatrany ny vaovao, dia mbola izy dimy aloha no fantatra fa voarohirohy tamin’io fanafihana mitam-piadiana, vono olona ary halatra volabe io. Heverina fa tsy maintsy mbola misy namany miriaria any. Mbola mitohy araka izany fikarohana izany olon-dratsy izany ka anantenan’izy ireo hatrany ireo olona tsara sitrapo, amin’ny fiaraha-miasa sy fanomezam-baovao azy ireo. « Aza misalasala miantso ny laharana 034 14 006 51, hoy hatrany ny fanazavana azo, raha manam-baovao mahakasika an’izay fa hotazomina ho tsiambaratelo tanteraka ».

m.L

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo