• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ambatondrazaka : Voakapan’ny famaky ny mpiambina

20/01/2023 09:23 © Midi Madagasikara

Omaly tokony ho tamin’ny iray ora maraina no niseho ilay fanafihana. Tao amin’ny tsenan’ny tanàna no norobain’ireo jiolahy ny fivarotana iray tao.

Hitan’ny mpiambina izany ary niditra an-tsehatra avy hatrany izy nanohitra ireo olon-dratsy. Tao anatin’izany no voakapan’ny zava-maranitra ny faritry ny lohany ary naratra mafy. Voatery nentina teny amin’ny hopitaly tao an-toerana izy mba ho fanavotana ny ainy ary velona soa aman-tsara saingy nitondra takaitra teo amin’ny loha. Mbola notazomina tao amin’ny hopitaly io farany mba ho fanaraha-maso ny fahasalamany.

Nandritra ny fanafihana, rehefa lavo tamin’ny tany ny mpiambina dia nanomboka nibata ny entana tao am-pivarotana ireo jiolahy. Ny sasantsasany tamin’ireo entam-barotra, izany hoe izay zakany, no nentin’ireo nandritra ity fanafihana ity. Maitso ahitra ara-bakiteny iny faritra izay mivelona tanteraka amin’ny fambolena iny ankehitriny ary izany no antony iray mety mampirongatra ny asan-jiolahy. Na izany aza dia tsy dia noeritreretin’ny maro ny hoe ny tsena mihitsy no notafihina. Indrindra koa misy mpiambina izany amin’ny alina.

D.R

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo