• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Vtt.Mg
Image
Vaovao

Reniranon’ny Lemak’Antananarivo : Tsy mbola misy ny filazana loza

20/01/2023 15:54 © Moov.Mg

Araka ny tatitra navoakan’ny APIPA (misahana ny fiarovana ny tanànan’Antananarivo amin’ny tondra-drano) anio tamin’ny 8 ora maraina dia mbola tsy misy ny filazana loza hatreto raha ny ato amin’ny lemak’Antananarivo no resahina. Na dia teo aza ny rotsakorana naharitra nandritra ny andron’ny omaly dia tsy misy ny ahiana hatreto.

Raha ny reniranon’i Sisaony manokana ohatra dia 0,33 metatra ny haavon’ny rano ankehitriny vokatry ny fiakarana tao anatin’ny 24 ora. Mbola hisy fiakarana anefa izany haavon’ny rano izany ao anatin’ny 12 ora manaraka. Raha ny mahakasika ny refy filazana loza manambana (loko mavo) kosa dia eo amin’ny 2,5 m mari-drefin’Ampitatafika no manomboka izany. Izany hoe mbola tsy misy izany filazana izany hatreto.
Ho an’Ikopa kosa indray dia 1,52 m ny haavon’ny rano, raha ny mari-drefin’Ambohimanambola no jerena. Nahitana fiakarana 0,12 m izany tao anatin’ny 24 ora, ary mbola hitohy izany fiakarana izany ao anatin’ny 12 ora manaraka. Fantaro ary fa 3,5 m ny refy filazana loza manambana eo Ambohimanambola raha ho an’Ikopa hatrany.
Raha ny teo anivon’ny mari-drefin’i Bevomanga kosa dia tafiakatra 1,85 m ny haavon’Ikopa. Na izany aza dia hita fa nisy fidinana 0,09 m ny rano tao anatin’ny 24 ora. Mbola hisy fiakarana kosa anefa izany ao anatin’ny 12 ora manaraka. 4,00 m ny refy filaza loza manambana eo Bevomanga.
Ary ny vaovao farany dia mahakasika ny reniranon’i Mamba. 0,75 m ny haavony eo amin’ny mari-drefini’Ambohidroa. Nisy fidinana 0,03 m ny rano arak’izany tao anatin’ny 24 ora.
Manaraka akaiky ny fitomboana sy fihenan’ny rano hatratany ny APIPA amin’izao fotoanan’ny andro ratsy izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo