• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Tsy filaminam-bahoaka ao Toamasina : Olona nitaingina moto notafihan’ny andian-jiolahy…

21/01/2023 06:48 © Midi Madagasikara

Hatairana ny an’ireo olona tao Morarano raha naheno ity poa-basy tampoka amin’ny fotoana maha-be olona mivezivezy eny an-dalana.

Tsy nisy nanampo na inona inona ny olona, ka nanontany tena nandritra izany. Raha natao ny fanadihadiana dia olona iray niaro olona saika notafihana an-dian-jiolahy no niharan’ny tifitra, ilay saika notafihana kosa tsy nanahy saingy lasa ihany ny vola tany aminy. Nentina teny amin’ny hopitaly be ihany ity voatifitra saingy tsy tana ny ainy noho faritra mamoafady voan’ny bala teny aminy.

Efa tonga teny ny mpitandro ny filaminana saingy efa lasa ireo andian-jiolahy tamin’izany. Raha ny fanazavana teny an-toerana dia efa narahan’ireto andian-jiolahy vao nivoaka ny tranony ity olona nitondra moto nitondra vola ity, ka teo amin’ny faritra tokony nanaovana ny fanafihana dia raikitra ny asan’ireto andian-jiolahy. Ity maty voatifitra ity kosa nahita ny fanafihana ka nanampy ilay voatafika izay no antony nitifiran’ireo jiolahy azy nandritra izany. Ankoatra izany dia nilaza ny FIP fa raha azo atao dia afaka miantso azy ireo ny olona raha hanatitra vola eny amin’ny toerana hitehirizana izany, satria maimaimpoana ny fakana azy ireo mandritra izany.

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo