• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fiangonana vaky : Naleviny ny entana halatra

21/01/2023 07:34 © Midi Madagasikara

Toa efa fantampantany fa tsy maintsy handeha any aminy ny famotorana. Naleviny tao ambany tany avokoa ireo entana nangalariny nandritry ny famakiana ny fiangonana Ekar Borromér tao Ambatomena-Fianarantsoa.

Ny alin’ny zoma hifoha asabotsy tamin’ny herinandro lasa teo no nisian’ity famakiana toerana masina ity. Lasa tao ny fitaovana maro fanamafisam-peo. Nanomboka teo koa ny fanadihadiana izay nosokafan’ny polisy foibe ao Ampasambazaha. Herinandro katroka taty aoriana, hita ilay mpanao ratsy. Tao amin’ny fokontany antsoina hoe Mokana ary tao an-trano fonenany ihany no sarona ilay rangahy. Nandritry ny fihainoana azy dia niaiky ny helony izy ary nanoro izay toerana nanafenany ireo entana maro halatra.

Nangadiana ny tany ary dia hita tao avokoa ireo toa ny vata maro bokotra sy fanamafisam-peo isan-karazany. Tafaverina soa aman-tsara amin’ny fiangonana ny entana. Tsy vita teo anefa ny raharaha. « Mbola mitohy fikarohana ny naman’ity tovolahy ity izay miisa roa » raha araka ny fanamarihan’ny lehiben’ny komisaria Ampasambazaha.

D.R

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo