• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Jaffar Said.Jpg
Image
Vaovao

Fandalovan'ny Cyclone CHENESO : Rotsakorana hatramin'ny 26 janoary. Dibo-drano i Mahajanga. Tapaka ny RN4.

22/01/2023 23:00 © Moov.Mg

Mbola mitondra orana hatrany ilay Cyclone CHENESO Madagascar. Anisan'ny voa mafy ny faritra Boeny. Araka ny vaovao azo izao hariva izao dia tapaka tanteraka ny lalam-pirenena faha-4 na ny RN4.

Anisan'ireo voa mafy ny faritra Boeny

Tsy azo aleha intsony ny RN4 ao anatin'ny fotoana tsy voafetra. Misy arabe mihotsaka eo anelanelan'i Maevatanàna sy Ambondromamy, eo amin'ny PK 378 +00. Manantena mafy fanamboarana farak'izay haingana ny mampiasa lalana.
Etsy andaniny koa, mila fanampiana manokana ny faritra Boeny. Dibo-drano tanteraka mantsy ny any an-toerana. Araka ny nambaran'ny governora, tsy misy aloha ny fampianarana hatramin'ny alakamisy ho avy izao.

Rotsakorana hatramin'ny 26 janoary

Araka ny fanambaran'ny sampana mpamantatra ny toetr'andro eto Madagasikara, hitohy hatramin'ny alakamisy ho avy izao ny rotsakorana. Ho betsaka hatrany izany rotsakorana izany, ka mety hahatratra 70 hatramin’ny 100mm/24ora amin’ny faritra afovoany andrefana, atsimo atsinanan’ny nosy ary ny faritra sasany amin'ny afovoan-tany.
Mety hahatonga tranga manahirana izany : fanelingelenan’ny fahitana, rano miandrona, fiakaran’ny renirano, ranotrambo, fihotsahan’ny tany.
Ireto avy ny faritra voakasika : distrikan’i Ambanja, Bealanana, Analalava, Antsohihy, Boriziny, Mampikony, Miandrivazo, Belon' i Tsiribihina, Farafangana, Vondrozo, Vangaindrano, sy ny distrika rehetra ao Boeny, Melaky, Vatovavy, Fitovinany ary Analamanga.
Iangaviana ireo mponina mipetraka amin’ny toerana marefo sy mora tondraka mba hitandrina sy hanaraka tsy tapaka ny ny toromarika izay omen'ny manam-pahefana eny ifotony, mba hisorohana ny loza mety hiseho.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo