• Cours de change
  • 4759.39 AR
  • |
  • $4415.65 AR
Copyright Image : © Tiana_Michaël_Razafindrakoto
Image
Vaovao

RN4 : Efa miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana

27/01/2023 17:12 © Moov.Mg

Efa afaka andehanan’ny fiara rehetra ankehitriny ny lalam-pirenena faha 4 izay mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga. Efa vita ny asa fanamboaran-dàlana vonjimaika izay notanterahina teo amin’ny PK 378+00 araky ny fampitam-baovao nataon’ny ministeran’ny Asa Vaventy anio.

Rehefa tapaka nandritra ny andro maromaro ny fifamoivoizana nohon’ny fahatapahan’ny tetezana dia efa miverina amin’ny laoniny izany. Tsiahivina fa mbola asa vonjimaika ihany no notanterahina hatreto.
Ankehitriny ary dia miroso tanteraka amin’ny asa fanarenana ireo làlam-pirenenana nahitana fahasimbana vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza CHENESO ny ministera. Eo ihany koa ny asa fanamboarana ireo làlam-pirenena hafa izay mampikaikaika ny mpampiasa lalàm-pirenena. Misy amin’izy ireo no efa nahitana fahasimbana talohan’izao andro ratsy izao. Voakasik’izany ohatra ny làlam-pirenena faharoa. Tsy ela akory fa vao omaly no nidina tany Manjakandriana ny ministra nanatri-maso ny fanombohan’ny asa fanamboarana ny làlam-pirenena faha-2 izay mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina.
Araky ny fanapahan-kevitry ny filan-kevitry ny ministra ny 18 janoary lasa teo moa dia ho raisin’ny fanjakana malagasy an-tànana, amin’ny alàlan’ny RIP na « Ressources Propre Interne » ny famatsiana vola ny tetik’asa fanarenana ireo làlam-pirenena ahitana fahasimbana ireo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo