• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fanondranana : Taolam-paty taterina amin’ny lakana

28/01/2023 09:02 © Midi Madagasikara

Mahanoro : Taolam-paty nilanja teo amin’ny 50 kilao teo ho eo no saron'ny polisy, teo amin’ny toby fiantsonan-dakana.

Talohan’ny fotoana nahatratrana azy ireto tokoa mantsy dia efa re siosio tany an-toerana ny fisian’ny olona manararaotra izao andro ratsy izao, mitondra zavatra mampiahiahy, tany an-toerana. « Fanampim-baovao marim-pototra avy amin’ny polisim-pirenena tao aminny distrikan’i Mahanoro mahakasika ny fisian’ny halatra taolam-paty sy ny fivezivezen’izany any an-toerana. Araka izany dia nohamafisina ny fisafoana ny fiara na ny lakana ary ny olona mifamezivezy tany an-toerana», hoy ny fanazavana azo. Nahazoam-bokatra tokoa izay fisafoana tsy tapaka izay. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina teo amin’io toby fiantsonan-dakana io tokoa no nahitan’izy ireo efa-dahy nampiahiahy, nitondra gony feno zavatra amin’ny andro maizina sy mandroso ho alina, ary amin’ity andro ratsy ity. Efa vonona hiondrana tamin’izay lakana teo. Tsy isalasalàna fa tena olon-dratsy izany olona izany ary niroso tamin’ny fanatonana sy ny fisavàna azy ireo ny mpitandro filaminana. Kanjo inona tokoa fa raha vao nahita ireo pôlisy izy efa-dahy dia nikoropaka ary rafitra nitsoaka ny roa. Ny roa lahy kosa tsy afa-nihetsika fa noraisim-potsiny niaraka tamin’ity enta-mavesatra teny an-tsorony. « Rehefa nosavaina ny gony teny amin’izy roa lahy voasambotra ireto dia nahitana taolan-dava iray gony milanja 50 kilao, sy tavoahangy misy ody gasy iray teny amin’izy ireo ». Tamin’izay fotoana izay ihany moa dia efa nisy sasany tamin’ireo mpitandro filaminana no rafitra nanenjika sy nikaroka ireo roa lahy tafatsoaka. Tsy lasa lavitra ny seranan-tsambo akory dia voasambotra izy ireo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany ho any. Araka ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo dia ny roa no tena tompon’antoka sy nitondra ireto taolam-paty ireto ary ny roa hafa kosa dia mpanera .

Hatreto moa, tsy mbola fantatra mazava na saika hoentina aiza ireto taolam-paty ireto. Tsy fantatra ihany koa hoe avy aiza ? Efa ao anatin’ny fanadihadiana lalina mahakasika izay ny eo anivon’ny pôlisy misahana ny fanadihadiana. Izy efa-dahy mpanondrana taolam-paty kosa, tamin’io alina io ihany dia efa notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy tany amin’ny biraon’ny pôlisy.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo