• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Medd.Jpg
Image
Vaovao

O2 Febroary , andro maneran-tany ho an'ny Faritra Mando

02/02/2023 21:55 © Moov.Mg

Notanterahina tao amin’ny Site RAMSAR Torotorofotsy ao Andasibe ny fanamarihana ny Fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny Faritra mando, notarihan-dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa, no natao anio.

Ny lohahevitry ny fankalazana tamin’ity taona 2023 ity dia ny hoe « Fanarenana ny Faritra mando, fotoanany izao !! ».
Mifandraika indrindra amin’io lohahevitra io ny hetsika natao satria dia nandritra ity fotoana ity no nanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fambolen-kazo ho an’ny Faritra Alaotra Mangoro ka zanakazo zanatany miisa 4000 no novolena tamin’ny velarana 4Ha tao Torotorofotsy ho fanarenana ny sahan-driaka ao an-toerana. Ankoatr’izay dia nisy ny hetsika fanentanana maro isan-karazany nampahafantarana ny maha-zava-dehibe ny Faritra mando eo amin’ny fiainantsika zanak’olombelona. Nandray anjara mavitrika tamin’izany fanentanana izany ireo tanora sy ankizy mpianatra.
Notsindrian-dRamatoa Ministra tamin'ny kabary izay nataony ny maha-zava-dehibe ny fisian'ny ala amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy amin’ny fampandrosoana ny fiainan'ny olombelona amin’ny ankapobeny raha tsy hilaza afa tsy ny fitondran'ny ala rano sy rotsak'orana entina mamboly. Nanambara koa izy fa ny fambolen-kazo izay natao androany dia ho an'ireo ankizy izay hoavin'ny firenena malagasy ary ho lovainjafy sy ho an’ny taranaka fara-mandimby.
Miisa 2414 ny Faritra mando voasokajy ho Site RAMSAR manerana izao tontolo izao ka ny 21 amin’ireo dia eto Madagasikara no ahitana azy. Raha atambatra dia mirefy 2 147 911Ha ireo site RAMSAR eto amintsika ireo izay mitahiry karazan-javamananaina maro isan-karazany izay tsy fahita raha tsy eto amintsika.
Maro anefa ny tsindry miantraika amin’ireo Faritra mando ireo ka eo am-pametrahana paikady nasionaly ho fiarovana ny faritra mando eto amintsika ny MEDD ankehitriny.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo