• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny_Fanabeazam-Pirenena
Image
Vaovao

Fampianarana : Nisitraka sekoly Telma i Vatomandry

03/02/2023 16:58 © Moov.Mg

Sekoly Telma iray indray no naorin’ny Fondation Axian tao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Vatomandry. Izany dia natao ho fanatsarana ny tolotra ara-pampianarana any amin’iny faritra iny.

Raha tsiahivina dia maherin’ny iray tapitrisa ireo tanora sy ankizy tsy tafiditra an-tsekoly ary miaina ivelan’ny fampianarana eto Madagasikara. Ny fahasimban’ireo foto-drafitrasam-pampianarana sy ny tsy fahampian’izany no anisany antony mahatonga izany hamaroan’ny ankizy tsy misitraka fampianarana izany.
Ny Sekoly Telma dia fandaharanasa iray naorina ny taona 2015, ary tohanan’ny fondation Axian. Ny hanatsarana ny sehatry ny fampianarana eto Madagasikara, fa indrindra ny hanampiana ireo zaza avy amin’ny fianakaviana sahirana mba hisitraka fampianarana toa ny ankizy rehetra no tanjon’ity fandarahanasa Sekoly Telma ity. Noho izany ary dia tsy mitsahatra ny fondation Axian sy ny Sekoly Telma manatsara sy manitatra ireo foto-drafitrasam-pampianarana manerana ny nosy, fa indrindra ireo any amin’ny toerana saro-dàlana sy lavitra andriana. Izany dia hahafahana mampitombo isa ireo ankizy miditra an-tsekoly.
Hatreto dia sekoly miisa 76 teo no efa naorina tamin’ny alàlan’ity fandaharanasa Sekoly Telma ity, raha ankizy maherin’ny dimy arivo sy iray alina no efa tafiditra an-tsekoly. Tamin’ity indray mitoraka ity ary dia ny fari-piadidiam-pampianarana Vatomandry no nisitraka izany Sekoly Telma izany. Mitohy hatrany etsy andaniny ny asan’ny fondation Axian amin’ny alàlan’ny Sekoly Telma ho fanatsarana ny tolotra ara-pampianarana eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo