• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Présidence De La République De Madagascar.Jpg
Image
Vaovao

Banky Foiben'i Madagasikara : Nanao fianianana ny Governora vaovao, Aivo Handriatiana Andrianarivelo

03/02/2023 19:45 © Moov.Mg

Nanao ny fianianany nanoloana ny Fitsarana Tampony ny Governora vaovaon’ny Banky Foibe, Atoa. Aivo Handriatiana Andrianarivelo, androany 03 Febroary 2023.

Nanatrika izany lanonana ara-pitsarana izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, sady filohan’ny Filankevitra Ambony ny Mpitsara.

Niarahaba ity Governora vaovaon’ny Banky Foibe ity ny Filoham-pirenena ary nankahery azy amin'ny adidy aman'andraikitra goavana izay miandry azy. Andraikitry ny Banky Foibe tokoa no miantoka ny fahamarinan-toerana ara-bola sy ny fanamafisana ny rafitra ara-bolan'ny Repoblikan’i Madagasikara. Izy irery ihany no manana fahefana hanonta vola eto amin'ny tanin'ny Repoblika ary mamaritra ny politika fitantanana ny vola eto amin'ny firenena.

Anisan'ny manam-pahaizana manokana amin'ny toekarena, ny "marché des capitaux" , ny fitantanam-bolam-panjakana, ny banky sy ny microfinance moa ny Governora vaovaon’ny Banky Foibe, Atoa. Aivo Handriatiana Andrianarivelo

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo