• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Ceni Madagascar.Jpg
Image
Vaovao

CENI : Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin'ny lisi-pifidianana

03/02/2023 19:51 © Moov.Mg

Ny fanisana isan-tokantrano no nifarana tamin’ny 31 janoary 2023 fa ny fanoratana anarana eny anivon’ny biraom-pokontany kosa dia mbola mitohy.

Nanatontosa valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI) androany 3 febroary 2023.
Navoitra nandritra izany ireo dingana efa vita sy ireo dingana manaraka amin’ny asa fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana nasionaly. Natao moa izao, mba hampisy mangarahara amin’ny fanatanterahana ny asa sy mba ho fanomezam-baovao ny olompirenena ary fangatahana fiaraha-miasa amin’ireo Haino Vaky Jery amin’ny fizarana vaovao marina sy asa fanentanana ary fanabeazana .

Manentana hatrany ireo olompirenena amin’izany fisoratana anarana anaty lisitry ny mpifidy izany ny CENI ary nampatsiahy ihany koa ny anjara andraikitr’ireo hery velona rehetra amin’izany.
Raha ny antontan’isa vonjimaika,9 675 145 hatreto ireo mpifidy nisoratra anarana ao anatin’izany lisitra izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo