• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Port Bergé : Rongony 21 kilao sy toaka gasy enina « bidons » sarona

04/02/2023 07:11 © Midi Madagasikara

Manoloana ny firongatr’ireo mpifoka sy mpivarotra rongony ary mpibizina toaka gasy, dia miezaka mitady vahaolana hatany amin’ny fanangonana loharanom-baovao ny pôlisy, indrindra fa eny amin’ireo lalam-pirenena.

Ny faran’ny volana janoary teo, olona telo no voasambotra teo amin’ny sakana nataon’ny Polisy teo Andrimbavontsona Port-Berge. Rongony sy toaka gasy no sarona tamin’izay fotoana izay, raha ny loharanom-baovao azo. « Ny 31 janoary tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany no nahatratrana ity taxi-brousse iray nitondra rongony milanja 21 kilao sy toaka gasy miisa 06 bidons ary ravim-paraky milanja 60 kilao. Loharanom-baovao marim-pototra no efa azon’ny polisy mahakasika ny fisian’izany ary efa natao daholo ny vela-pandrika rehetra ka nahafahana nisambotra izany ary izao nahitam-bokany izao », araka ny fampitam-baovao azo hatrany.

Olona telo no tao anatin’ity fiara sarona ity, ny tompon’ireo entana, lehilahy 31 taona. Voafango niaraka taminy ihany koa ny mpamily an’ilay taxi-brousse sy ny mpanampy ny mpamily. Raisina ho toy ny mpiray tsikombakomba tamin’ity mpanamparitaka zava-mahadomelina ity mantsy izy ireo. Ilay fiara kosa dia nogiazana, niaraka tamin’ireto entana tsy ara-dalàna ireto. Nentina nihazo ny birao avy hatrany moa izy ireo ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana, alohan’ny hanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana.

Nangonin’i m.L

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo