• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Matsf
Image
Vaovao

Fahavaratra : Mitohy ny asa fanadiovana ireo lakan-drano eto Antananarivo

06/02/2023 16:47 © Moov.Mg

Mbola tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra sy ny andro ratsy isika ankehitriny, na dia somary nihatsara ary ny andro tato ato. Mbola ahiana hatrany ny mety ho fisian’ny rotsakorana matetika sy ny mety ho fiakaran’ny rano araka izany.

Manoloana izany sy ho fisorohana ny mety fiakaran’ny rano eny amin’ireo faritra iva eto andrenivohitra dia nisy ny asa fanadiovana ny lakan-drano notanterahina teny Antohomadinika. Nidina teny ifotony nijery ny fizotry ny asa ny delegasiona notarihin’ny ministry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-Tany, Holder Ramaholimasy ny zoma lasa teo. Nitsidika ary nijery ifotony izany asa izany ihany koa ny teo anivon’ny Manamahefa misahana ny fisorohana ny tondra-drano eto amin’ny lemak’Antananarivo na ny APIPA.
Tsy ny lakan-dranon’Antohomadinika ihany anefa no anaovana izao asa izao, fa hitohy eny amin’ny faritra maro eto andrenivohitra izany asa fanadiovana izany. Raha tsiahivina dia tsy vao izao no nisian’izao asa fanadiovana izao fa efa nanatanteraka izany ireo tompon’andraikitra samihafa na ny eny anivon’ny fokontany, ny firaisana, ny ministera ary ny APIPA nanomboka tamin’ny voalohan’ny volana desambra lasa teo.
Hatreto dia nahitana vokany mahomby izany asa fanadiovana ny lakan-drano izany satria hita fa tsara ny fikorinan’ny rano nandritra sy taorian’ireny oram-be ireny, hoy hatrany ny teo anivon’ny ministera.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo