• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ambolomadinika Toamasina : Tovolahy maty namosavian’ny namany

08/02/2023 09:25 © Midi Madagasikara

Hetrakatraky ny samy mpinamana, izay no azo hamehezana ny nahazo ity tovolahy iray vao 28 taona monja monina tao Tanambao faha-5 Toamasina.

Manam-bady aman-janaka ny tenany, ka hatairana ho an’ny mponina tao Ambolomadinika P/elle 21/24 ny maraina ben’ny alatsinainy 6 febroary teo, raha nahita fatin-dehilahy nihohoka tamin’ny lalana falehan’ny fokonolona. Raha ny fanazavana dia tokony tany amin’ny 3ora maraina no nisy nahita voalohany ity lehilahy ity, nandray andraikitra ireo nahita tamin’izay dia nanaisotra azy teo ambony lalana falefahy olona, sy nametraka azy teo an-tsisin-tranon’olona teo akaiky. Tamin’ny nahita azy dia nivoaka zavatra fotsifotsy ny vavany, tsy nahita ratra ny tenany. Rehefa nazava ny andro raha hizaha ity tovolahy ity ny fokonolona dia taitra fa efa tsy teo intsony ny pataloany fa nisy nanendaka; izany hoe olona efa maty dia mbola nisy nanendaka ny lamba teny an-kodony, mahagaga…Nilaza ny manodidina rehetra tsy misy mahalala ny mahakasika ity tovolahy ireo mponina tao Ambolomomadinika; nalefa tao anaty tambanjotra sosialy ny sariny sao misy olona mahalala na mahafantatra azy na koa havany. Tamin’ny 10ora misandratr’andro ny andron’ny alatsinainy 6 febroary io, vao nahafantatra ny fianakaviany ka tonga teny amin’ny toerana nahitana azy. Fantatra araka ny toreo nataon’ny reniny an-dranomaso, fa nivoaka ny trano ity tovolahy ity ny alahady 5 febroary. Mbola nifampiantso matetika izy mianaka ny tontolo ny andro ny alahady. Tamin’ny 10ora alina no nifandraisan’izy ireo farany ary tsy tratra antso intsony izy taorian’izay. Talohan’io anefa dia nanontany azy ny reniny na mbola hody izy na tsia, ary namely izy fa mbola hody saingy mbola misotro miaraka amin’ny namany. Raha natao ny fanamarinana ny zava-nisy rehetra dia maty noho ny vorika nataon’olona taminy ity tovolahy ity, nomena poizina mahafaty haingana ity tamin’izay. Tranga izay maneho fa tena mila mitandrina ny rehetra amin’ny fiaraha-misotro anaty trano fosotroana ity. Raha ny angom-baovao dia tsy nahavoatonona anarana iray tamin’ireo namany nolazaina fa niara-nisotro taminy ilay tovolahy nandritra ny antsy nifanaovany tamin’ny reniny. Milaza ny hanokatra fanadiadiana ny fianakaviany.

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo