• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena_Malagasy
Image
Vaovao

Vehivavy roa mpanao sarimihetsika mamoafady saron’ny polisy

08/02/2023 16:25 © Moov.Mg

Mpirahavavy mpanao sarimihetsika mamoafady indray no saron’ny Polisy. Zazalahy kely 5 taona hatramin’ny 14 taona eo ho eo no ampiasan’izy ireo amin’izao asa ratsy izao. Araka ny fantatra dia zanak’ilay zokiny amin’izy roa vavy ihany ity zazalahy kely 5 taona fanaovan’izareo sarimihetsika ity.

Tsy vao sambany no nanaovan’izy roa vavy izao asa ratsy izao fa efa maro ireo sarimihetsika efa naodiny, ary saika ahitana zaza tsy ampy taona foana izany, izay tsy iza fa saika ireo ankizy manodidina ny fianakaviana avokoa.
Resahan’izy ireo moramora ilay zaza ary hoentiny miaraka aminy. Rehefa vita ny ataony dia hividianan’izy ireo zavatra ireo zaza ireo. Rehefa vita ny fanodonana ny sarimihetsika dia amidin’izy roa vavy 10 euros amina vazaha any an-dafy ny iray amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo