• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny_Asa_Vaventy
Image
Vaovao

Làlam-pirenenana fahaenina : Vita ny asa fanotofana ny lavaka eo amin’ny PK 372 Maromandia

08/02/2023 17:32 © Moov.Mg

Efa miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana eo amin'ny ampahan-dàlana PK 372 (eo Maromandia) izay hita any amin’iny làlam-pirenena fahaenina iny. Ity farany moa dia tsy inona fa làlana mampitohy an’Antsohihy sy Ambanja.

Efa vita ny asa fanotofona ilay lavaka nahatonga fahatapahan-dàlana teo amin’io ampahan-dàlana PK 372 io ankehitriny, rehefa avy nanao ny asany io maraina io ny orinasa ISO Construction. Raha tsiahivina dia ny fangalarana ny “buse métallique” no nahatonga ny fisian’io lavaka io, ary izany indrindra no antony tsimaintsy nanaovana izao asa izao. Araka ny nambaran’ny ministeran’ny Asa Vaventy dia efa mahatratra 24 ny isan’ireo “buses métalliques” nisy nangalatra hatreto. Ary fantatra fa ny fahaverezan’ireto foto-drafitr’asa ireto no anisany miteraka ireny fahatapahan-dàlana ireny, rehefa fotoam-pahavaratra.
Manentana ny mpampiasa làlana rehetra sy ny vahoaka ary ny ministeran’ny Asa Vaventy mba hanaja sy hiaro ireo fotodrafitrasa izay napetraka eny an-dàlana rehetra eny. Izany dia mba hisorohana ny mety ho fahasimbana sy ho fahatapahan-dàlana, izay tsy inona fa tombotsoa ho an’ny besinimaro ihany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo