• Cours de change
  • 4759.39 AR
  • |
  • $4415.65 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Vidéo amidy 10 euros : Mpihavana ihany no mpilalao « porno »

09/02/2023 08:45 © Midi Madagasikara

Tsy lafo fa amidy 10 euros, izany hoe manodidina ny 40.000 ariary ny horonan-tsary iray. Efa misy mpanjifa izany any ivelany ary mivantana any aminy ka izay tiany hampiasana azy avy eo.

Ny tena mampalahelo dia zazakely vao dimy taona no isan’ny mpilalao ao anatiny. Tsy vitan’izay fa ny nenitoany no manao fihetsika mamoafady aminy ary raketina amin’ny horonan-tsarimihetsika. Tamin’ity tranga ity dia mpirahavavy izay 25 taona sy 21 taona ny vehivavy ary dimy taona sy 14 taona ny lehilahy. “Manoloana izany dia nisy ireo fitarainana voarain’ny avy eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny Cybercriminalité mahakasika ny fiparitahana sary sy « vidéo » anaty tambazotran-tserasera. Nisy ny fanadihadiana natao ka fantatra tamin’izany fa isany tompon’antoka amin’ny fanaparitahana horonan-tsary mamoafady ireto mpirahavavy ireto”, raha araka ny fampitam-baovaon’ny polisy. Notohizan’izy ireo fa : “ny faran’ny herinandro teo moa no tratran’ny polisy tetsy Anosy ireto farany ka nentina nihazo ny birao avy hatrany.

Taorian’ny fanadihadiana azy ireo no nahafantarana fa efa fanaony ny manodina horonan-tsary mamoafady ary ny ankizy ao an-trano ihany no iarahan’izy ireo mandritra izany izay tsy ampy taona avokoa. Fantatra ihany koa fa misy mividy ny horonan-tsary izay ataon’ireo tovovavy ireto ka amidy 10 euros isaky ny horonan-tsary iray. Niaiky ny asa ratsiny izy mirahavavy ireto ary nanaporofo izany ireo ‘vidéo’ hita tao anatin’ny findainy. Natolotra ny fampanoavana omaly ny raharaha”. Omaly harivariva koa no nahafantarana fa naverina eny anivon’ny Cybercrimiinalité indray aloha ireo olona fa tsy nadoboka am-ponja. Ny mety ho antony dia mbola misy olona maromaro mety ho tafiditra koa ao anatiny satria raha ny tsilian-tsofina re dia misy miezaka mikàlana ny raharaha. Handrasana ny tohiny. Mbola misy vazaha koa aza ao ambadik’ity raharaha mamoafady ity, raha araka ny loharanom-baovao hafa eo anivon’ny mpitandro ny filaminana. Mivoatra ny teknolojia ary mivoatra manarak’izany koa ny fampiasàna azy. Betsaka ny mahay mitady vola ao anatin’izany saingy betsaka koa ny mampiasa azy amin’ny ratsy. Toa ity tranga ity dia tena sady nanimba olona no nanimba tena ary tsy vitan’izany aza fa manala-baràka ny firenena. Amin’ny vola izay sahala amin’ny vidin’ny vatomamy any ivelany no namarotana tena. Mitohy izany ny fanadiadiana ary arahana akaiky ny raharaha izay misahana zavatra maro : fanararaotana ara-nofo zaza tsy ampy taona, fihetsika mamoafady, fampiasana ny tambajotran-tserasera amin’ny fihetsika mamoafady. Tsy ho lany raha ny vesara ara-pitsaràna ao anatiny.

D.R

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo