• Cours de change
  • 4759.39 AR
  • |
  • $4415.65 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Anosizato : Mpangalatra nanidy ny tenany tao amin’ny trano norobainy

09/02/2023 09:59 © Midi Madagasikara

Hafakely kely indray ity zava-nitranga tetsy Anosizato Atsinanana ity. Angamba te ho tompon-trano mafy ilay mpangalatra ka izy ihany no nanidy ny tenany tao. Tsy nahafahan’ny tena tompon-trano niditra.

Ny talata tolakandro teo, tonga nitaraina tamin’ny pôlisy ny ramatoa iray fa nisy namaky ny tranony. Ary mbola tavela ao anatiny ny mpangalatra. Tamin’io fotoana io, nanao fisafoana tsy lavitry ny fivarotam-panafody iray malaza etsy Anosibe ny pôlisy. Hany ka tsy nisalasala izy ireo nandeha namonjy avy hatrany ity renim-pianakaviana velon-tairana ity. « Nisy lehilahy niditra tao an-tranony », hoy izy. « Araka ny fanazavan’ity ramatoa ity dia tamin’ny fotoana izy nandeha nivoka dia niditra tao an-tranony ity jiolahy ity ary efa hatramin’ny maraina izy no niditra tao » raha ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. Somary nahazendana ihany ny zava-nitranga teo. Tamin’ny fomba ahoana no nahafantaran’ilay vehivavy fa efa hatramin’ny maraina no tao aminy ilay « mpangalatra ». Amin’ny roa ora tolakandro teo anefa izy vao nampiantso ny pôlisy. Raha ny tohin’ny fanazavana nomen’ilay ramatoa lasibatra hatrany, voalazan’ny fampitam-baovaon’ny pôlisy hatrany, dia hoe « nidiny avy any anatiny ny varavarana ka tsy afaka niditra tao ilay ramatoa ». Fiarovan-tena ve, tahotra sa fitia te hamandrin-tena mihitsy ? Nidina nijery ny zava-nisy tao amin’ilay trano voalaza ny pôlisy ary voamarina tokoa ny nambaran’ilay ramatoa fa misy olona hafa ankoatry ny tompon-trano tao amin’ilay trano ary mihidy avy ao anatiny ny varavarana, tsy nahafahan’ireto farany niditra. « Tsy nanaiky namoha ny trano avy ao anatiny moa ity tovolahy ity, koa dia niroso tamin’ny fanokafana ny varavarana an-keriny ireo polisy ». Mazava ho azy, tsy nahita lalan-kaleha intsony ity mpangalatra hafa kely ity, ka ny hany heriny dia nandeha niafina tao anatin’ny …fanaka.

« Rehefa tafiditra tao izy ireo ka nisava ny trano dia hita nisitraka tao anaty armoire ity tovolahy ity ». Araka ny voalazan’ny loharanom-baovao hatrany dia finday marika « samsung » no tratra teny am-balahan’ity tovolahy ity, ary efa nasitriny tsy ho hita mihitsy izany. Hatreto, tsy mbola fantatra mazava izay tena tao an-dohan’ity mpangalatra hafakely ity sy ny antony nanaovany izany fihetsika izany. Tamin’io harivan’ny talata io ihany moa ingahirainy dia efa nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo