• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Analakely : Voendaka teo am-pandraisana finday, naratra mafy

18/02/2023 07:10 © Midi Madagasikara

Tsy tahotra tsy henatra, fotoana mbola mahabetsaka ny mpandalo, kanefa dia sahin’ireo tontakely ny manao ny asa ratsiny.

Antsy lavalela no niantefa teny amin’ity lehilahy iray, tetsy Tsaralalana, tsy lavitry ny sekoly ambony ny mpiraki-draharaha sy ny mpitsara. Lasa ny findainy, ary naratra vokatr’izay herisetra izay ny tenany, raha ny fampitam-baovaon’ny polisy. Soa ihany moa, tsikaritry ny polisy niasa tsy lavitra teo izany zava-nitranga izany ary nifanenjahena ilay tontakely. Raha ny vaovao azo hatrany dia tokony ho tamin’ny efatra ora hariva, ora firavan’ny mpiasa amin’ny ankapobeny, ny andron’ny alarobia teo ity zava-nitranga ity. Naneno ny findain’ilay rangahy tamin’io fotoana io ary nijanona nandray ilay antso izy. Tao anatin’ny indray mipi-maso anefa, ny nanambanan’ilay mpanendaka azy zava-maranitra sy nisintoman’ity farany ilay finday.

Sabatra no teny aminy, raha ny vaovao azo, izay nentiny nandratrainy ilay rangahy. « Hitan’ny Polisy miasa tsy lavitra eo izany tranga izany ka nandray ny andraikiny avy hatrany ny pitandro ny filaminana nisambotra ity farany ka izy izao tratra izao » hoy ny vaovao. Marihana fa tamin’ny fotoana nahatratrarana ity olon-dratsy ity dia mbola hita tany aminy ilay antsy lavalela. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny polisy moa ity farany. Ilay rangahy naratra kosa efa nentina nihazo tobim-pahasalamana.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo