• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Météo
Image
Vaovao

Cyclone Freddy : Anisan'ireo rivodoza mahery indrindra tao anatin'ny folo taona

18/02/2023 12:47 © Moov.Mg

Tamin’ny 10 ora maraina teo dia tany amin’ny 2351 Km Atsinanana somary Avaratra Atsinanan’i Toamasina no nisy ny foiben’i FREDDY.

Mikisaka miakandrefana izy ka mahafaka19 Km/ora. Nihena ho 185 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 260 Km/ora. Raha ny vinavina dia tombanana hikasika ny morontsiraka Afovoany Atsinanan’ny Nosy izy ny alin’ny Talata ho avy izao na ny Alarobia vao maraina be.

Mba ho fiomanana mialoha dia entanina ireto faritra ireto hampihatra ny fepetra filazana loza
*Filazana fanairana miloko maintso : Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo atsinanana. *

Hanomboka hikorontana ny toetry ny andro any an-dranomasina ny alin’ny Alatsinainy 20 Febroary 2023 noho ny alon-drano izay haterak’i FREDDY.

Entanina ny rehetra mba hanaraka akaiky ny ho fivoaran’ity rivodoza ity ary hanaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo