• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fihaonana an-tampon'ny Vondrona Afrikana - Addis-Abeba : Nandray anjara fitenenana i Madagasikara

18/02/2023 19:26 © Moov.Mg

Nitondra ny vinan'ny Fitondram-panjakana malagasy momba ny fisitrahana angovo ho an'ny rehetra nandritra ny latabatra boribory nitondra ny lohahevitra "Accès à l'énergie universelle en Afrique" ny Filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina.

Ity labatra boribory ity moa dia tafiditra amin'ny andiany faha 36 amin'ny fihaonana an-tampon'ireo Filoham-panjakana sy lehibena governemanta ao amin'ny Vondrona Afrikana izay nisokatra androany 18 febroary 2023 any Addis-Abeba, Ethiopie.
Nambaran'ny Filoham-pirenena Malagasy fa ny famokarana sy ny fisitrahan'ny vahoaka angovo no anisan'ny fanoitra lehibe amin'ny fampandrosoana nefa na dia manan-karena loharanon'angovo azo havaozina aza ny kaontinanta afrikanina dia mbola ambany ny tahan'ny mponina misitraka herinaratra. Noho izany mila hafainganina ny fananganana ireo fotodrafitrasa famokarana herinaratra avy amin'ny angovo azo havaozina sy takatry ny fahefa-mividin'ny vahoaka.
Ho an'i Madagasikara, vahaolana voalohany sy haingana indrindra ny fametrahana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin'ny herin'ny masoandro. Ny Fitondram-panjakana dia mikendry amin'ity taona ity ny hamokatra 50MW azo avy amin’ny herin’ny masoandro amin'ny tanàna miisa 36 amin'ireo distrika 119. Ny tanjona dia ny hananganana "parcs solaires" manerana ireo distrika rehetra afaka taona vitsy. Eo ihany koa ny fizarana "kits solaires" ho ana tokantrano miisa 2 tapitrisa, izay tetikasa hiarahana amin'ny Banky Iraisam-pirenena.

_Ao anatin’ny lavitr'ezaka kosa dia eo ihany koa ny fananganana ireo "centrales hydroélectriques" izay vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena manerana ny Nosy ka hitombo 1000MW ny famokarana herinaratra afaka dimy taona eto Madagasikara. _

"Tsy azo iodovirana ny fampitomboana ny taha-pamokarana angovo sy fisitrahan'ny vahoaka herinaratra eto amin'ny kaontinanta afrikanina satria io no antoky fampandrosoana sy ny fampiroboroboana ny indostria mba hialantsika amin'ny fahantrana" hoy hatrany Filoha Andry Rajoelina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo