• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Bngrc.Jpg
Image
Vaovao

Fiomanana amin’ny fiatrehana ny rivodoza Freddy : Nivory ny BNGRC sy ny Foiben’ny Famantarana ny Toetry ny andro

19/02/2023 10:43 © Moov.Mg

Nanatanteraka firoviana indroa miantaona ny teo anivon’ny birao nasionaly misahana ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandindoza na ny BNGRC, sy ny Foiben’ny Famantarana ny toetry ny andro omaly. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fiomanana amin’ny fiavian’ny rivodoza Freddy izany.

Notanterahina teo amin’ny « centre national de coordination des opérations d’urgence », izay birao misahana ny fanarahamaso ny zava-misy rehefa misy loza na tranga ilaina fandraisana an-tànana maika moa izany fivoriana izany. Ankoatra ny fihaonana mivantana dia teo ihany koa ny fivoriana ampitain-davitra niarahan’ireto farany tamin’ireo tompon’andrakaim-panjakana isan-tsokajiny. Tsiahivina fa ireo faritra vinavinaina mety handalovan’ity rivodoza Freddy ity no nandray anjara tamin’izany fivoriana ampitain-davitra izany.

Fiomanana

Maro ireo fomba fiady noresahana mandritra izany fivoriana izany satria tokoa « Izay tsara fiomanana, tsy ho tampohin’ny loza ». notsindrina manokana tamin’izany ohatra ireo filàna fototra amin’ny asa famonjena, mba hanamora sy hanafainganana ny fandraisana an-tànana ireo olona mety ho traboina sy tradoza. Tao ihany koa ny fizarana ny asa sy ny fametrahana olona avy eo amin’ny BNGRC sy ny CPC mba hanatsarana ny fandraisana an-tànana ny asa rehetra izay mety ho tanterahana mialoha, mandritra sy aorian’ny fandalovan’ny rivodoza.
Ankoatra izay dia tapaka tamin’izany fivoriana izany ihany koa ny mahakasika ny fandefasana ireo fiarabe mitondra ny filàna fototra, ho any amin’ireo faritra izay vinavinaina hidiran’ity rivodoza ity. Voasingana manokana ao anatin’ireo faritra mety ho voakasiky ny loza vokatry ny fandalovan’ny rivodoza sy fidiran’ny rivodoza i Mahonoro sy ny manodidina ary Manjary sy ny manodidina.
Manoloana ny fiavian’ny rivodoza Freddy dia entanina ireo mponina rehetra monina any amin’ireo faritra vinavinaina ho voakasina manokana ireo, mba hanaraka tsy tapaka ny vaovao momba ity rovodoza ity, ary ihany koa mba hanaraka antsakany sy andavany ireo toromarika avy amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Izay dia mba ahafahana manamora ny asa famonjena raha misy loza ary indrindra ho fisorohana ny loza mety hiseho.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo