• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Météomadagascar
Image
Vaovao

Rivodoza Freddy : Hiditra eo anelanelan'i Vatomandry sy Manakara

19/02/2023 18:15 © Moov.Mg

Rivodoza FREDDY : Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan’i Vatomandry sy Manakara izy ny Talata alina ka vinavinaina ho 175 Km/ora ny rivotra hiaraka aminy sy tafiotra 245 Km/ora amin’izay fotoana izay

Tamin’ny 03 ora hariva teo dia tany amin’ny 1639 Km atsinanan’i Toamasina no nisy ny foiben’i FREDDY. Mikisaka mianatsimo somary atsimo andrefana izy ka mahafaka 26 Km/ora

Mbola rivodoza tena mahery vaika hatrany i FREDDY, 220 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 310 Km/ora manakaiky ny foibeny.

Hikija ny rotsakorana (> 180 mm), hahery be na hisamboaravoara ny ranomasina (> 10 metatra) ary ahiana mafy ny fiakaran’ny ranomasina indrindra manamorona ny faritra hidirany an-tanety

Filazana fanairana miloko maintso

Analanjirofo, Atsimo Atsinanana, Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Menabe, ny distrikan’i Moramanga, Anosibe An’ala, Beroroha, Ankazoabo, Sakaraha, Morombe ary Toliara I-II.

Filazana manambana miloko mavo

Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany

Iangaviana ny mpampiasa ranomasina manomboka any Sambava ka hatrany Cap Ste Marie mba tsy hiandriaka intsony manomboka ny Alatsinainy alina satria hiharatsy ny toetry ny andro noho ny alondrano izay haterak’i FREDDY
Entanina ny rehetra mba hanaraka akaiky ny ho fivoaran’ity rivodoza ity ary hanaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo