• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Cyclone_Ocean_Indien
Image
Vaovao

Rivodoza Freddy 2023 : Hikorontana ny toetry ny andro eny an-dranomasina manomboka rahampitso

20/02/2023 16:51 © Moov.Mg

Manomboka ny marainan’ny rahampitso 21 febroary dia vinavinaina hisy fikorontanana ny toetry ny andro eny an-dranomasina amin’ny morontsiraka Atsinanana.

Hiitatra hatrany amin’ny morontsiraka atsimo sy atsimo andrefana kosa izany ny alarobia 22 febroary. Izany dia vokatry ny fanatonan’ny rivodoza mahery vaika Freddy 2023, hoy ny eo anivon’ny foibe famantarana ny toetry ny andro.

Filazana fampitandremana manan-kery hatramin’ny 23 febroary.

Misy araka izany ny filazana fampitandremana noho ny hamafin’ny rivotra. Tombanana hahatratra 100 ka hatramin’ny 175 km/ora ny tafio-drivotra eo anelanelan’ny Mahanoro sy Manakara, raha toa kosa ka ho eo anelanelan’ny 40 hatramin’ny 80 km/ora izany any an-kafa. Tafiditra ao anatin’ny filazana fampitandremana miloko mavo noho izany ny eo anelanelan’i Cap Masoala sy Cap Sainte Marie, ary ny eo anelanelan’ny Cap Sainte Marie sy Morondava. Marihina fa manan-kery hatramin’ny alakamisy 23 febroary izany filazana izany.
Hiangaviana ireo mpampiasa ranomasina sy mpiandriaka mba hanaraka antsakany sy andavany ny toromarika izay omen’ny manam-pahefana eny ifotony mba hisorohana ny loza. Mety hiterana faharendrehana sy fahasarotan’ny fivezivezena an-dranomasina manko ny fisian’ity rivodoza ity.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo