• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Randriamihaja_Tolojanahary_Dany
Image
Vaovao

Alakamisy Itenina – Mpianatra “Temoin de Jehovah” : Mitohy ny disadisa

27/02/2023 17:03 © Moov.Mg

Mitohy ny disadisa eo amin’ireo mpampianatra eo anivon’ny CEG sy Lycée Alakamisy Itenina sy ireo mpianatra manaraka ny finoana « Témoin de Jehovah ».

Nilaza ireo mampianatra fa tsy handray ireo mpianatra dimy ireo mihitsy izy ireo raha mbola tsy manaraka ny fitsikpa ireto farany. Samy miziriziry amin’ny heviny noho izany ny roa tonta.

Manome fe-potoana 72 ora ireo mpampianatra

Mitohy hatrany ny olana misy eo amin’ny sekoly ao amin’ny ZAP Alakamisy Itenina sy ireo mpianatra avy ao amin’ny fiangonana « Témoin de Jehovah ». Ny tsy fihirana ny hiram-pirenenana nandritra ny fananaganan-tsaina no anton’izao disadisa izao, raha tsiahivina. Nanoloana izany tsy fanarahan-dalàna izany dia nanapa-kevitra ny lehiben’ny Lisea tao an-toerana fa ho atsahatra ny fampianarana ireto mpianatra ireto, izay niziriziry tsy nanaraka ny fitsipika mifehy ny sekoly. Efa nisy naoty mifandraika sy manamafy izany ihany koa navoakan’ny distrika.

Mitaky onitra ireo mpianatra

Taorian’izany anefa dia nahazo taratasy avy amin’ny fitsarana, izay mandidy azy hanafoana ireo fanapahan-kevitra ireo io lehiben’ny lisea io. Ankoatra izay dia mandidy ny sekoly handoa 3 tapitrisa ariary ihany koa io taratasy nomen’ny mpisolo vavan’ny « Témoin de Jehovah » io. Anio 27 febroary dia nanao fanambarana ireo mpampianatra eo anivon’ny sekoly fa tsy handray ireo mpianatra dimy mirahavavy ireo mihitsy, raha mbola minia tsy manaraka ny fitsipika manankery eo amin’ny sekoly izy ireo. Manome fe-potoana 72 ora ho an’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany, manomboka anio ireo mpampianatra mba hamaliana izany taratasy avy amin’ny fitsarana izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo