• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny_Mponina
Image
Vaovao

Andron’ny vehivavy : Vehivavy manerana ny faritra 23 no manaraka fiofanana

03/03/2023 17:13 © Moov.Mg

Toa ny fanao isa-taona dia maro ireo hetsika entina hanamarihana ny andron’ny vehivavy. Ny amin’ity taona ity manokana dia tapaka fa Antananarivo no handray ny ivon’ny fankalazana. Nanomboka ny alatsinainy 27 febroary lasa teo ary ny fankalazana, ary hitohy hatramin’ny 8 marsa.

Nalefa nitety vohitra teto an-drenivohitra ireo fiaraben’ny fahasalamana mba hanakaiky ireo vahoaka mila izany. Nisy ihany koa ny fanomezana fiofanana ho an’ireo vehivavy manerana ny faritra 23.

Fiofanana momba ny sakafo

Omen-danja manokana ny vehivavy amin’izao ankatoky ny fankalazana ny 08 marsa izao. Miompana amin’ny fanomezan-danja ny zon’ny vehivavy noho izany ireo hetsika rehetra izay karakaraina. Izany indrindra no antom-pisian’izao fiofanana natokana ho an’ny vehivavy izao. Fantatra ary fa miisa 460 ireo vehivavy manerana ny faritra 23 izay misitraka fampiofanana, koa any amin’ny CFP Mahitsy no mandray izany. Ny tanjona dia ny hahatonga ireo vehivavy mizaka tena ho antoky ny fampandrosoana.
Araka ny fantatra dia miompana amin’ny fandrahoana sakafo sy mofo mamy io fiofanana io. Ary heverina fa hanampy ireo mpisitraka hiatrika ny andavan’androm-piainany sy ny fitadiavany izao. Izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny ministeran’ny Mponina sy ny ministeran’ny Fampianarana teknika sy fampiofanana arak’asa. Tao ihany koa ny tantsoroka avy amin’ny fikambanana Fitia izay tarihin’i vadin’ny Filoham-pirenenana.

Ireo hetsika

Feno dia feno ny fotoana amin’ity fotoam-pankalazana ny andron’ny vehivavy 2023 ity. Ny 6 marsa dia hisy ny hetsika Vehiv’ARA eo amin’ny zaridainan’Andohalo. Amin’io andro io ihany koa dia hisy ny hetsika Tsiahin’Anosy izay ho tontotsaina eo amin’ny zaridainan’Anosy. Tsy adino ny fifaninana fandrahoana sakafo izay ho tanterahina amin’io andro io ihany. Ny 6 ka hatramin’ny 8 marsa dia hisy ny fampirantiana asa-tànana, izay ho tanterahina ao amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina.
Ny 7 marsa dia ho tontosaina ny diaben’ny vehivavy. Hiainga eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano ka hihazo ny kianjan’Alarobia izy ireo. Hisy ihany koa ny Zumba, ny hetsika Artis-tsika (Ambohijatovo) ary ny Teatra (Analamahitsy). Ho amin’ny andron’ny fankalazana kosa, izany hoe ny 8 marsa, dia hisy ny lanona ofisialy. Amin’izany no hanaovana ny diabe iarahan’ireo vehivavy amin’ny vadin’ny Filoham-pirenena, Mialy Rajoelina koa amin’ny 09 ora maraina no hanombohan’izany etsy amin’ny kianjan’ny Barea. Amin’ny 5 ora hariva dia hisokatra ho an’ny rehetra ny Takarivan’Iarivo, koa hisy podium amin’izany. Toa ny mahazatra dia ny kianjan’ny fahaleovan-tena no handray izany fankalazana izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo