• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Wéo
Image
Vaovao

Andilamena : Lehilahy tra-tehaka nanolana vehivavy marary saina sy vehivavy bevohoka

14/03/2023 09:42 © Midi Madagasikara

Tovolahy iray 25 taona no nosamborin’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Andilamena, ny herinandro lasa teo, noho ny resaka fanolanana.

Avy nampihatra ny filan-dratsiny tamin’ny vehivavy marary saina iray tany an-toerana ny lehilahy. Ary tsy vitan’izay fa mbola nokasainy hovonoina ihany koa. Soa ihany, tonga haingana tany am-poto-tsofin’ny zandary ny raharaha. Ao anatin’ny hetsika tagnamaron’ny fandriampahalemana dia tsy misalasala intsony vahoaka mampandre avy hatrany ny zandary any an-toerana, raha vao misy tranga hafahafa ao amin’ny toerana misy azy. Toa izany ity nitranga tao amin’ny fokontany Amparatsiraka, kaominina Andilamena ity, ny herinandro lasa teo.

Raha ny nambaran’ireo mponina tany an-toerana mantsy dia misy lehilahy mampitahotra vehivavy any amin’io toerana, izay mitondra antsy « poignard », ary mitily izay vehivavy sendra mandeha irery. Tamin’io fotoana io dia vehivavy 40 taona, voalaza fa manana aretin-tsaina izay no lasibatra tsy lavitry ny tanana. Nobedain’ity lehilahy ity izy io ary nampiharany ny filan-dratsiny, ary nokasainy hovonoina. Niantso vonjy avy hatrany ireo izay nahita, tsy niraharaha izay fandrahonany intsony. Hany ka noraisim-potsiny ilay ranamana. Tamin’ny fanadihadiana azy, hoy ny zandary no nahafantarana fa efa jiolahy mpanolana hikoizana ity tovolahy 25 taona ity. Voalaza mantsy fa efa nokarohina noho izay asa ratsy izay ny tenany ny taona 2019. Zazavavy kely vao 12 taona no nataony lasibatra tamin’io fotoana io, tao amin’ny tanana antsoina hoe Vohitraivo, kaominina Vohimena, distrikan’Amparafaravola.

Tsy vitan’izay fa ny taona 2020 ihany koa ny tenany dia efa voarohirohy tamina resaka fanolanana sy vono olona tao amin’ny tananan’Atsiradava, any amin’iny distrikan’Amparafaravola iny hatrany. Vehivavy nitondra vohoka indray no nitondra faisana teto, izay niafara tamin’ny famoizan’ity farany ny ainy mihitsy. Nokarohina tamin’ireo heloka bevava isan-karazany ireo ny lehilahy, izay avy any amin’iny kaominina Amboavory, distrik’Amparafaravola iny, dia nandeha nialokolaka taty amin’ny distrikan’Andilamena izao. Tanana efa zatra mitsotra anefa ny anao ny lahy ka io mbola nanohy ny asa ratsiny izao. Notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana lalina azy moa ity mpanolana gaigilahy ity tamin’io fotoana io ary omaly no nentina tany Ambatondrazaka, ho amin’ny fanolorana azy eo anivon’ny Fampanoavana.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo