• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Madagascar Association
Image
Vaovao

Jiolahy nandositra avy eny Antanimora : Mandeha manendaka sy mangalatra eny amin’ny Akamasoa

14/03/2023 09:59 © Midi Madagasikara

Roalahy anisan’ireo nampitondra faisana ny rehetra teny amin’iny faritry ny Akamasoa sy ny manodidina iny no voasambotry ny pôlisy ny faran’ny herinandro teo.

Raha ny voalaza dia izy ireo no tompon’antoka tamin’ireo fanendahana, halatra ary vaky trano teny amin’ny manodidina. Ny iray tamin’izy ireo moa dia voalaza fa isan’ireo jiolahy nitsoaka avy any Antanimora, ary izao nanampy namana, hanohy ny asa ratsiny izao.

Anisan’ny mampiaiky volana ny rehetra indray ny firongatry ny tontakely eny amin’iny faritry ny Akamasoa sy ny manodidina iny. Tsy misy afa-bela fa samy lasibatra avokoa na ireo olona any an-tokatrano na ireo mandeha eny an-dalana. Indrindra fa ireo somary tratra hariva eny amin’ireny lalana mangingina, toy iny Rocade Iarivo iny. Na izany aza, tsapa ho manao ny ezaka rehetra ireo mpitandro filaminana tompon’andraikitra, entina hamongorana ireny mpanao ratsy ireny. Ho an’ny teny amin’ny Akamasoa manokana, izay tsiahivina fa manana ny « poste avancée » izay sahanin’ny pôlisy avy ao amin’ny Fip, dia nisy hatrany ny fisafoana andro aman’alina, taorian’ireo tranga sy fitarainana ataon’ireo mponina.

Tao anatin’izany fisafoana izany indrina no nahatratraran’izy ireo roalahy nampiahiahy, teo amin’ny toerana mangingina iray tsy lavitra ity Akany fibeazana ireo tsy manan-kialofana ity. Ny andro alina, ny toerana mangina, tsy misy tokony hijorojoroan’izy ireo mihitsy ka nanatona avy hatrany ireo pôlisy ary niroso tamin’ny fisavàna. Fantatra, araka ny fampitam-baovao azo hatrany fa teo am-pifohana rongony izy ireo no izao tra-tehaka izao. Tsy nihanona fotsiny tamin’izany moa ireo mpitandro filaminana fa niroso tamin’ny fisavàna azy ireo lalindalina ka tamin’izany no nahitàna fitaovam-piadiana tany amin’izy. Irony karazana « nuntsaku » ireny no tany ary niampy « barre à pince » iray. Tsy nisy alaharo alaharo moa fa avy hatrany dia nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy teny Sabotsy Namehana izy ireo ho amin’ny famotorana. « Tamin’izany no nahalalana hoy hatrany ny vaovao, fa isan’ireo jiolahy nadositra an’Antanimora ny iray amin’izy ireo. Fantatra ihany koa fa izy ireo no jiolahy mpamaky trano sy mpanendaka eny amin’iny Faritra Akamasoa sy ny manodidina iny ». Notanana natao andrimaso avy hatrany moa izy ireo, tamin’io andro io, niandry ny fanolorana azy teny anivon’ny Fampanoavana omaly.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo