• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Rocade Tsarasaotra : Mpitaigina bisikileta maty nofahon’ny 4X4

15/03/2023 09:54 © Midi Madagasikara

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray teny amin’iny lalam-baovao Tsarasaotra ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo.

Lehilahy nandeha bisikileta no maty tsy tra-drano rehefa nofahon’ny fiara tsy mataho-dalana (4X4) Toyota Land Cruiser teo amin’ny toerana antsoina hoe Vavasolo, fokontany Ambodifasina Tsimahafotsy (PK4+800), district Ambohidratrimo. Araka ny angom-baovao dia ny teo anelanelan’ny tamin’ny 11 sy 12 ora alina no niseho ny loza. Tsy nisy nahita anefa izany fa ilay mpamilin’ilay fiara volaza etsy ambony no tonga niseho teny amin’ny borigadin’ny zandary Ambohidratrimo raha vao niseho ny loza. Voalaza moa fa orinasa lehibe iray manana ny foiben-toerany eny Antanetibe Ivato eny no tompon’ity fiara ity. Nidina teny an-toerana avy hatrany moa ny mpitandro ny filaminana nanao ny fizahana ny zava-nitrangana. Nandritra izany no nahalalana fa handeha hanapa-dalana tao anaty fiolahana ilay bisikileta no nofahon’ity fiara ity, izay nandeha mafy tokoa.

Samy nahitana fahapotehana avokoa moa na ilay fiara na ilay bisikileta. Efa tsy teny an-toerana intsony anefa ny vatana mangatsiakan’ilay niharam-boina tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary teny fa efa nisy nitondra any amin’ny hôpitaly Anosiala. Noho izany dia nangatahana tamin’ny lehiben’ity hôpitaly ity ny mba hanaovana ny fanamarinana rehetra mikasika ny fahafatesan’ity mpitondra bisikileta ity. Marihina fa tsy nahitana taratasy mirakitra ny mombamomba azy ity olona ity. Tsy misy mahafantatra azy ihany koa ireo mponina eny amin’ny manodidina. Noho izany dia napetraka ao amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly Anosiala ny razana amin’izao fotoana izao. Notanana natao andri-maso ao amin’ny borigadin’ny zandary kosa ilay mpamily nahavanon-doza eo am-piandrasana ny handefasana ny raharaha eny anivon’ny Fitsarana. Mitohy moa ny fikarohana izay mety ho fianakavian’ny maty.

T.M.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo