• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Rivodoza Freddy : Niverina nisokatra avokoa ireo toeram-pianarana any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana

16/03/2023 09:19 © Moov.Mg

Votery nahato avokoa ny fampianarana teo anivon’ireo toeram-pianarana tao Atsimo Andrefana noho ny fiverenan’ilay rivodoza Freddy herin’andro maromaro lasa izay. Ankehitriny dia efa miverina an-tsekoly ireo mpianatra.

Fanomezana fitaovam-pianarana

Rehefa nahato nandritra ny roa herinandro ny fampianarana noho ny fiakaran’ny rano vokatr’ilay rivodoza Freddy dia efa niverina nisokatra tsikelikely kosa ny sekoly nanomboka tamin’ity herinandro ity. Maro tokoa ireo mpianatra izay simba fitaovana nandritra izany fisian’ny rivodoza izany. Izany indrindra no nahatonga ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon’antoka taminy tsy niraviravy tànana fa nanao izay azony atao mba hanampiana ireo mpianatra amin’ny fiverenany an-tsekoly indray. Akoatra ireo fitaovam-pianarana simba dia maro ihany koa ireo sekoly nahitana faharavana.
Raha tsiahivina dia mpianatra 30 604 no voakasik’ity rivodoza ity, raha ny faritra Atsimo Andrefana manokana no jerena. Sekoly 207 kosa no voakasika raha 219 ireo hefitra fianarana nahitana faharavana tanteraka. Ny faritra Atsimo Andrefana noho izany no nahitana fahavoazana betsaka indrindra raha ny tatitra nataon’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) no jerena.
Manoloana izany dia nisy famatsiana fitaovam-pianarana sy fialamboly ho an’ny sekoly mba hanampiana ireo mpianatra amin’ny fiverenany an-tsekoly indray. Tao ihany koa ny fanaganana efitrano fianarana vonjimaika mba hahafahan’ireo sekoly simba na rava mandray ireo mpianatra indray. Mitohy mandava-taona tokoa ny asa ho fiarovana ny zon’ny ankizy ho an’ity sampana iray misahana ny reny sy ny zaza eo anivon’ny firenena mikambana ity. Ary ahitana fitomboana ny asa rehefa miditra amin’ny fotoanan’ny fahavaratra sy ny rivodoza toa izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo