• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Claude_Razimahandry
Image
Vaovao

Fampianarana ambony : Mitokona ny mpianatry ny Oniversiten’i Mahajanga sy Fianarantsoa

03/04/2023 16:28 © Moov.Mg

Mitohy ny fitokonana, ary mihamafy ary. Tsy nijanona teo amin’ny mpianatry ny Oniversiten’i Vontovorona intsony ny fitakiana ny famoahana ny vatsim-pianarana.

Nanatanteraka fidinana an-dàlam-be ihany koa anio ny mpianatry ny Oniversiten’i Mahajanga. Fotoana fohy taorian’izay dia nanapa-kevitra ny hitokona ihany koa ireo mpianatry ny Oniversiten’i Fianarantsoa.

Mitohy ny fitakiana

Raha tsiahivina dia teny amin’ny Oniveresiten’i Vontovorona no niatomboka ny fitakian’ny mpianatra eny amin’ny anjery manontolo. Nangatahan’izy ireo tamin’izany ny hanamboarana sy ny hanarenana ireo trano rano rava sy may eny amin’ny trano fonenan’izy ireo eny Vontovorona. Tetik’asa izay voalaza moa fa efa tafiditra tao amin’ny fandaharan’asan’ny ministeran’ny Fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa. Ankoatra izay dia nitaky ihany koa ireo ny amoahana ny tetiandron’ny vatsim-pianarana.
Anio, dia nitokona ihany koa ireo mpianatry ny Oniversiten’i Mahajanga. Hita teny amin’ny sora-baventy lajain’izy ireo ny fitakiana ny fanomezana ny vatsim-pianarana dimy volana, miampy ny fampitaovana. Akoatra izay dia ambaran’izy ireo fa mbola misy vatsim-pianarana tsy voaray hafa ihany koa ny taona 2021 sy 2022.
Tsy ela taorian’ny fielazan’ny vaovao teny amin’ny tambajotran-tserasera dia indreo fa nidina an-dàlambe ihany koa ireo mpianatra avy ao amin’ny Oniversiten’ny Fianaratsoa. Ary mitaky ihany koa ireto farany ny amoahana ny vatsim-pianarana. Mifandray araka izany ny fitakiana sy fitokonana ataon’ireo mpianatry ny anjery manontolo izay hita eny anivon’ny faritra telo manerana ny Nosy ankehitriny.

Fifandonana eo amin’ny mpianatra sy ny zandary

Nandeha ny fitoraham-bato sy ny fifanenjehana ary ny fanapoahana grenady mandatsa-dranomaso teo amin’ireo mpianatra sy ny zandary tany Fianarantsoa, anio. Mpianatra iray no voalaza fa voasambotra nandritar izany.
Raha atao ny jery todika dia tsy ela akory fa tamin’ny faraparan’ny volana martsa lasa teo iny no nisian’ny ny fifandonana teo amin’ireo mpianatry Vontovorona sy ny zandary. Mpianatra telo no voasambotra tamin’izany, ary nisy ihany koa ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso. Ankoatra izay dia nisy olo-tsotra naratra vokatry ny fifandonana teo amin’ireo mpiantra sy ny zandary.
Saika mitovitovy avokoa ny toe-java-misy eny anivon’ireo Oniversite telo ireo. Ary tsapa fa noho ny tsy fisian’ny vahaolana azo tsapain-tànana atolotr’ireo tombon’andraikitra no mahatonga izany. Etsy an-daniny anefa dia efa nanambara ny teo anivon’ny ministera mpiahy tamin’iny volana martsa iny fa efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanivanana sy ny fikirakirana ireo lisitry ny mpianatra hisitraka izany vatsy izany izy ireo, izay marihina fa efa miroso tsikelikely amin’ny fampiasana ny fitaovana nomerika avokoa ny fanatanterahana ny asa atao. Voalaza ihany koa efa vonona ao ny teti-bola natokana ho amin’ny fanefana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra.
Mahatsapa anefa ireo mpianatra fa toa atao ankilabao ny momba azy ireo, koa takian’izy ireo ny vahaolana tena mahomby sy azo tsapain-tànana, izay inoana fa tena afaka mamaly ny filàn’izy ireo. Anton’iray mampitroatra ireo mpianatra ihany koa ny tsy fisiana sy ny fahasarotan’ny fiainana ankehitriny. Ilaina noho izany ny fijerena ny sosialim-bahoaka sy ny fametrahana tetik’asa hiadiana amin’izao fiakaran’ny vidim-piainana izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo