• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny_Fiarovam-Pirenena
Image
Vaovao

Fitsarana miaramila : Fanehoana ny fitiavan-tanindrazana

03/04/2023 18:17 © Moov.Mg

Nanomboka anio ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 30 Jona 2023 ny taom-pitsrana miaramila amin’ity taona ity. Araka ny nambaran’ny Jerenaly Robert Raolison, alen'ny Fitaleavana ny Fanompoam-pirenena sy ny Fiandry na ny DSNGR, dia fotoana iray anehoana ny fitiavan-ntanindrazana ny firosoana amin’izany.

Tetsy amin’ny kianjan’ny miaramila tetsy Betongolo no nanamarihana izany fisokafana aminn’ny fomba ofisialin’ny taom-pitsarana miaramila izany, anio.

Hisitraka izany ny faritra rehetra

Antananarivo no nanombohana ny hetsika, anio, fa toa ny fanao isan-taona kosa dia ho tanterahana manerana ny distrika maro manerana ny Nosy izany. Raha Antananarivo manokana no resahana dia nisokatra anio tamin’ny 7 ora maraina ny fandraisana ireo zatovolahy sy zatovovavy maniry ny hiroso amin’ny fitsarana miaramila, koa tsy hifarana izany raha tsy ny alahady 30 Aprily.
Araka izany dia hisy isan’andro, ary hitohy isak’asabotsy sy alahady, ny fitsarana miaramila etsy Betongolo, raha tsy ny andron’ny Paska ihany. Natao izao ho fitsinjovana ny mpianatra sy ny mpiasa, hoy hatrany ny mpikarakara.
Hanomboka kosa ny fitsarana miaramila any amin’ireo distrika hafa rehefa mifarana ny eto Antananarivo. Tao anatin’izany dia nanambara ny jeneraly fa ho alefa ao amin’ny pefy facebook-ny ministeran’ny Fiarovam-pirenenana sy ho re eny anivon’ny radiom-paritra ny fandaharam-potoana ho an’ireo faritra sisa.

Fitiavan-tanindrazana

Fanehoana ny fitiavan-tanindrazana ny firosoana amin’ny fitsarana miaramila, hoy hatrany ny Jeneraly Robert Raolison. Manentana ireo tanora 19 ka hatramin’ny 31 taona, izany hoe ireo olona teraka teo anelanelan’ny 1 Janoary 1992 ka hatramin’ny 31 Desambra 2004 desambra, mba hiroso amin’ny fanatanterahana izany.
Notsindriny ihany koa fa tsy midika velively fa avy hatrany ianao dia ho voaantso ho miaramila raha ohatra manao izany fitsarana miaramila izany. Fomba tokana ahazoana ny karatra maitso izay tsiahivina fa ilaina amin’ny fangatahana ny « certificat de position militaire » izany. Anisany ilaina ary takiana amin’ny antotan-taratasy ara-panjakana samihafa toa ny fanaovana pasipaoro sy ny fangatahana hidirana ho mpiasam-panjakana io « certificat » io.
Làlana iray ahafahana miroso amin’ny fanompoana ny firenenana ao anatin’ny foloalin-dahy ihany koa anefa ny fitsarana miaramila ho an’ireo izay maniry izany. Ho an’ireo te hiroso amin’ny fanompoam-pirenenana ary dia entanina izy ireo hanatona ny biraon’ny fiarovana eny anivon’ny distrika. Any no mametraka ny fangatahana mba hisian’ny fandaminana
Ireto avy ireo ilaina hanaovana izany fangatahana izany :

Dika mitovin’ny karam-panondro

Dika mitovin’ilay karatra maitso

Taratasy fangatahana

Ho an’ireo zatovolahy sy zatovovavy dia antsoina ary entanina izy ireo mba hiroso amin’ny fitsarana miaramila, izay tsara ny manamarika fa voalazan’ny làlana ny fanaovana azy. Ankoatra ny tombo-tsoa manokana, toa ny fahazoana taratasy ara-panjakana maro isan-karazany dia fomba iray anehoana ny fitiavan-tanidrazana ihany koa ny fanatanterahana ny fitsarana miaramila. Fotoana iray anehoana fa vonona hiaro sy hiady ny tombo-tsoam-pirenena ny fitsarana miaramila.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo