• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Marc Ravalomanana
Image
Vaovao

Hetsika politika : Miverina indray ny sakana. Tsy navela handeha i Marc Ravalomanana

03/04/2023 19:45 © Moov.Mg

Voasakan'ny mpitandro filaminana teo Sambaina ireo fiara nitondra an'i Marc Ravalomanana sy ireo mpanara-dia azy. Ny tena nanahirana ny besinimaro dia tapaka mihitsy ny fifamoivozana teny amin'ny RN2 androany atoandro.

Didin'ny besandry

Miverina indray ireo sakantsakana amin'ireo mpanao politika izay manana ny tanjany manokana ami'ny fifidianana ho avy amin'ny volana novambra 2023. Raha i Siteny Randrianasoloniako no nisedra olana tamin'ny famoriam-bahoaka, dia nahazo ny anjarany ihany koa i Marc Ravalomanana. Araka ny nambaran'ny mpitandro filaminana teo Sambaina, baiko midina ny azy ireo ka tsy misy fiara afaka manohy ny diany mihoatra ny sakana napetraka. Nanapa-kevitra ny handeha an-tongotra ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary tonga soa aman-tsara tao Manjakandriana. Araka ny nambarany, nitsidika ireo vahoaka teny an-toerana izy ireo mba hahafantatra misimisy kokoa ny tena fiainan'izy ireo, indrindra moa fa ny fahasahiranana. « Tsy misy mahasakana ahy tsy hihaona aminareo,
hamantarako ny marina iainanareo », hoy hatrany i Marc Ravalomanana tamin'ireo mpanara-dia azy tany Manjakandriana.

Toerana mihidy

Araka ny nambaran'ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana, Justin Tokely, azo atao tsara ny famoriam-bahoaka fa anaty toerana mihidy. Azo heverina araka izany fa tsy nanaja izay nifanarahana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Fanaon'ity farany mantsy ny mitety tsena. Tsiahivina anefa fa hijery ny tranony tao Manjakandriana no tena anton-diany, sady hanatanteraka fifampiarahabana nahatratra ny taona tao amin'ny Tiko izay orinasany manokana.
Raha tiana hisy ny filaminana eto amin'ny firenena dia mila manaja ny fitsipika rehetra izay napetraka ireo mpanao politika. Voakasik'izany avokoa na ireo mpitondra ankehitriny na ireo mikasa hilatsaka ho fidiana na ireo te hanohana vondrona politika.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo