• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Oniversitem-panjakana eto Madagasikara : Tsy maintsy migrevy vao mahazo bourse

04/04/2023 10:11 © Moov.Mg

Misavorovoro tanteraka ny tontolon'ny fampianarana ambony eto Madagasikara. Mitovy moa ny anton'ny fitokonana : fitakiana vatsim-pianarana. Tsy adino ihany koa ny fangatahana fanatsarana ireo foto-drafitr'asa eo anivon'ny oniversite.

Fitokonana saika manerana ny Nosy

Ny teto Antananarivo no nanomboka ny hetsika, tamin'ny volana martsa teo. Nisy mihitsy ny fanakatonana ny sekoly ambony Vontovorona tamin'izany. Ny tena mahazendana nefa, mbola mitohy ihany ny hetsika satria mbola tsy mivaly ny fitakiana. Niverina in-telo ny fitokonana tao anatin'ny iray volana.
Ho an'ny oniversiten'ireo oniversite telo kosa (Oniversité Barikadimy Toamasina, Ambondrona Mahajanga ary Andrainjato Fianarantsoa), nanomboka omaly alatsinainy 3 aprily ny fitokonana. Nanome 72 ora izy ireo, izany hoe hatramin'ny alarobia 5 aprily, mba hamahana ny olana. Ireo mpianatry ny Oniversiten'i Toamasina moa dia efa nanakana ny lalam-pirenena faharoa omaly. Ho an'izy ireo dia tsy ny vatsim-pianarana ihany no olana, fa eo ihany koa ireo fampanantenana maro tsy tanteraka, toy ny Connexion WiFi.
Mba hampitoniana ny savorovoro, miditra amin'ny fialan-tsasatry ny paska 2023 ireo Oniversité voatonona rehetra ireo. Aorian'ny 16 aprily araka izany vao mety hahazo valin-teny mahafa-po ireo mpianatra.

Fitakiana tsy mahagaga

Zary fahazarana ny fitokonana eny amin'ireo oniversitem-panjakana. Rehefa tsy mitaky vatsim-pianarana ireo mpianatra dia mitaky ny karamany ireo mpampianatra sy mpandraharaha. Hatreto aloha, tsy misy vahaolana maharitra mihitsy, satria miverina isan-taona ny fitokonana. Misy fiantraikany amin'ny fiainana sy ny fianaran'ny mpianatra mantsy ny korontana. Maro mantsy no miankin-doha amin'ny vatsim-pianarana noho ny fahasahiranan'ny ray aman-dreny.
Marina fa tsy mahaleo tena ara-bola ny Oniversite, sartria mbola eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fampanarana Ambony. Heverina fa ilaina kosa nefa ny fametrahana fandaminana maty paika mba tsy hisian'ny olana intsony. Tsindrina amin'izany ny fandrafetana ny lisitry ny mpianatra eo anivon'ny Oniversite tsirairay, ahafahana mitsinjara ny fandaniana rehetra. Koa satria efa fantatra mialoha ny isan'ny toerana eny amin'ny toeram-pianarana tsirariray sy ny vola raisiny avy, toy izany ihany koa ny isan'ireo mpampianatra sy ny karamany avy, azo atao tsara ny mametraka mialoha ny teti-bola sy misafidy daty mazava amoahana izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo