• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Adn_Telma
Image
Vaovao

Coach Roro : Antoky ny fahombiazana ny asa sy ny faharetana

04/04/2023 10:00 © Moov.Mg

Rakotondrabe Romuald Félix, fantatra amin’ny solon’anarana « Roro », ilay mpanazatra nitondra ny ekipam-pirenenana Barea A’ teo amin’ny laharana fahatelo tamin’ny CHAN no hizara amintsika ny fiainany anio.

Ao ambadiky ny maha mpanazatran'ny Barea azy dia efa nisedra olana, toa ny akamaroan’ny olona ihany koa i coach Roro.

Mivoatra tsikelikely...

Efa mpankafy baolina kitra hatramin’ny fahakeliny i coach Roro. Ny mpampianatra taranja fanatanjahan-tena azy tamin’izy kilasy faha-6 n(6ème) no nitarika azy ho tia ny baolina kitra, ary nanomboka teo dia nitohy ny fankafizany izany taranja izany. Tsy tonga dia lasa coach anefa ny tenany fa mbola niasa tao amin’ny banky BFV ny taona 1987 ka hatramin’ny taona 1993. Nandritra izany fotoana izany dia tsy nitsahatra ny nilona tao anatin'io taranja baolina kitra io mihitsy ny tenany.
Rehefa avy nila ravinahitra nandritra ny 7 taona tany La Réunion izy dia niverina teto an-tanindrazana indray ny taona 2000. Efa tsy lany ho mpilalao baolina kitra matihanina intsony anefa izy tamin’izany koa niverina niasa toa ny olona rehetra indray. Ny taona 2003 ka hatramin’isika miteny izao dia miasa ao amin’ny sampan-draharaha misahana ny fadin-tseranana ny lehilahy.
Tsy toa izany foana anefa ny fiainana fa efa nizaka ny mafy izy, satria dia niainga tamin’ny tsy misy ny tenany. Lehibe ary niaina tao anatin’izany hoe fianakaviana sahirana i coach Roro, satria tokoa dia samy tojo tsy fahasalamana ny rainy sy ny reniny. Tsy nataony nahakivy azy anefa izany fa vao maika aza nanosika azy handroso foana.
Ho azy dia mandeha antanan-tohatra daholo ny asa rehetra. Manana fomba fijery miabo izy, ary nametraka ny fomba fisainana hoe « Miady aloha vao mandresy » ao anatin’ny asany sy ny fiainany an-davan’andro. Fomba fisainana iray izay mety hanampy ny tanora ankehitriny ihany koa.

« Ny fitiavako baolina kitra no nanosika ahy ho lasa mpanazatra »

Na dia efa nananika ny taona izay tsy ahafahana ho lasa mpilalao baolina kitra matihanina aza i coach Roro dia naniry ny hijanona hatrany tao anatin’io sehatra io. Raha tsorina dia ny fitiavany baolina kitra sy ny faniriany hijanona ao anatin’io tontolo io no nahatonga azy nisafidy ny ho lasa mpanazatra.
Tao anatin’izany fanaovany ny asa maha-mpanazatra azy izany indrindra no nahatsapany fa manana fahaiza-manao manokana ny mpilalao malagasy raha ny teknika no resahana. Milalao amin’ny fony ny mpilalao. Io toetra io dia manosika ny mpilalao tsirairay avy hanome ny tsara indrindra avy any aminy, nefa mila fitandremana ihany koa satria mety hitondra amin’ny fanaovana zavatra tsy ampiheverana.
Araka ny filazany : ny zava-bitan'ny Barea tamin’ny CAN 2019 no tena anisan'ny antony iray lehibe nampiakatra ny traikefan'ny mpilalao ankehitriny raha ny zava-nisy tamin’ireny CHAN ireny no jerena. Niteraka hafanam-po sy ambo-po tao amin’ireo mpilalao zandriny taty aoriana ireny.
Vonona hatrany ary ny tenany hiakatra tsikelikely amin’ireo antanan-tohatra izay miseho eo alohany. Ary rehefa tonga ny fotoana tokony hiakarany amin’ny ambony kokoa dia vonona amin’izany ihany koa izy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo