• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © 336681275_951080116062750_1334838645951282653_N.Jpg
Image
Vaovao

"Prime exceptionnelle" : Nivoaka ny didy fampisamborana ny Minisitry ny Angovo sy ny Talen'ny JIRAMA teo aloha

05/04/2023 06:10 © Moov.Mg

Efa tamin'ny volana novambra taona 2022 no nisokatra ny fanadihadihana mikasika ny raharaha "Prime exeptionnelle" teo anivon'ny Jirama. Telopolo mahery ireo manan'andraikitra ao amin'ny orinasa no nalaina am-bavany. Omaly kosa, voatonona manokana ireo tena atidoha nikotrika.

Tsiahivina moa fa nisy taratasy fanamarinana maromaro izay nahafantarana fa mandray "prime exceptionnelle" ireo lohandohan'ny mpisorona ao amin'ny Jirama. Mitentina 1 miliara mahery ilay sora-bola. Voalaza fa natolotra ny volana aprily 2021 io vola io, izay eo ho eo amin'ny 5 000 000Ar ka hatramin’ny 180 000 000Ar isan’olona.

Namoaka filazana fikarohana sy fiantsoana fiaraha-miasa amin’ny mpitandro ny filaminana ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly na ny BIANCO ho fisamborana ireto olona ireto :

RADANIELINA Rivo Herilala izay nitana ny andraikitra Tale Jeneralin’ny JIRAMA teo aloha.

ANDRIAMANGA Vonjy Seta, efa Minisitry ny angovo teo aloha ary efa nitana ny andraikitra Tale Jeneralin’ny JIRAMA teo aloha ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo