• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Le Parisien
Image
Vaovao

« Gool Den Team »: Fikambanana tanora vetaveta ao Toamasina

05/04/2023 10:15 © Moov.Mg

Ampiharin'ireto tovolahy mpianatry ny lisea amin'ny tovovavy virijiny ireo horonan-tsary vetaveta fijerin'izy ireo. Efa manao ny asany ny manam-pahefana ao Toamasina sady mijery akaiky ny toe-draharaha.

Fikambanana miafina

Ny Fikambanan’ ny Liandra Mahery (FLM) izay tanora mahery setra no fantatra voalohany fa misy ao Toamasina. Fiombonan'ireo tanora te hanakorontana sy hampihatra ny tsy rariny amin'ny mpiara-monina izy ireo. Vao tsy ela akory, niforona ny sampana mpanimba tovovavy virijiny atao hoe « Gool Den Team ». Manatanteraka filandratsy amin'ny tovovavy virijiny no tanjon'izy ireo. Firaisana ara-nofo an-tery no ataon'izy ireo amin'izany, angalana ny fahadiovan'ilay tovovavy sady ampiharana fihetsika vetaveta maro. Azo heverina fa mpijery horonan-tsary vetaveta izy ireo ka mitady vehivavy mbola madio hampiharana izany.
Tsara ny manamarika fa ireo tanora izay tafala tamin'io fikambanana io no miezaka mamoaka ny tsiambaratelo. Ireo izay mijanona ho mpikambana kosa dia tsy maintsy manaja ny Dina nifanekena. Raha ny fantatra dia misy mpamatsy zava-mahadomelina izy ireo.

Efa mandeha ny hazalambo

Efa manao izay ho afany ireo mpitandro ny filaminana ao Toamasina amin'ny fitadiavana ireo tanoran'ny Gool Den Team. Efa misy moa ny loharanom-baovao milaza fa eo ho eo akaiky ny tetezana mampisaraka an’i Tanambao fahadimy sy Tanamakoa no misy ny toerana fiafenan'izy ireo. Efa azo ihany koa ny toerana izay misy ny lehiben'ny vondrona, izay ao Tanambao Verre­rie sy Ambalakisoa. Andrasana araka izany ny tohin'ny raharaha. Mazava ho azy fa miandry ireo mpikambana rehetra ny fonja.

Manentana ny ray aman-dreny rehetra mba samy hanara-maso ny zanany, indrindra moa amin'ny fampiasana internet. Mba isorohana ny fijerena horonan-tsary mamoafady, tsy tokony omena finday avolenta ny ankizy raha tsy rehefa feno 18 taona sady matotra tsara. Tena ilaina ihany koa ny mahafantatra ny fandaharam-potoanan'ny zanaka sy ireo namana izay mifampitarika aminy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo