• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Mesupres
Image
Vaovao

Vatsim-pianarana : Hivoaka tsy ho ela ny teti-andro fizarana

05/04/2023 16:58 © Moov.Mg

Araka ny nambaran’ny teo anivon’ny ministeran’ny Fampianarana ambony dia hivoaka tsy ho ela ny teti-andro fizarana ny vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra eny anivon’ny Oniversite manerana ny Nosy.

Fitokonana, fitakiana vatsim-pianarana

Tao anatin’ny roa volana teo ho eo izay dia saika efa ho isan-kerin’andro ny fitokonana ataon’ireo mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. Niatomboka tamin’ny fidinana an-dàlambe nataon’ireo mpianatry ny Oniversiten’i Vontovorona izany. Nitohy nandritra ny herin’andro maromaro ny fitokonana ary nitsahatra indray rehefa nisy ny fifampiresahana teo amin’ireo mpianatra sy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny ministera.
Rehefa tsy nisy anefa ny fanomezana vaha-olana azo tsapain-tànana dia niverina nitokona indray ireo mpianatra. Ny voalohan’ny herinandro teo ary dia nanapakevitra ny hanao fidinana an-dàlambe ihany koa ny Oniversiten’ny Mahajanga sy Fianarantsoa. Fitakiana izay miompana amin’ny fanefana ny vatsim-pianarana dimy volana sy ny fampitaovana. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fangatahana ny fandoavana ireo vatsim-pianaran’ny mpianatra izay mbola tsy voaloha ny taona 2021 # 2022. Ankoatra ny resaka vatsim-piaranarana dia mangataka ny hanamboarana ny trano fonenan’izy ireo ihany koa ny mpianatra.

Efa voavolavola ny lisitry ny mpianatra hisitraka izany

Miara-miasa akaiky amin’ny ministeran’ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Haitao ara-kajy mirindra ny ministeran’ny Fampianarana ambony ankehitriny. Miara-misalaha ny roa tonta amin’ny fandraisana sy ny fikirakirana ny anaran’ireo mpianatra tokony hisitraka ny vantsim-pianarana. Izany rehetra izany dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny tetik’asam-panjakana izay mifototra amin’ny fidiran’ny fitantanan-draharaharam-panjakana tsikelikely ao anatin’ny nomerika.
Fantatra ary fa ny zoma 31 martsa lasa teo no nifarana ny famolavolana io listira io izay nalefan’ny oniversiten’Antananarivo, Mahajanga sy Fianarantsoa. Efa niroso tamin’ny famaranana ny listra ho an’ny oniversiten’ny Toamasina sy Antsiranana izay voaray ny 03 aprily teo izy ireo. Mbola misy kosa ny fanitsiana vitsivitsy. Ho an’ny Oniversiten’ny Toliara indray kosa dia anio no famaranana izany lisitra izany.
Vinavinaina hivoaka aorian’ny fialan-tsasartry ny pasaka amin’io 17 aprily io, araka izany, ny teti-andro fizarana vantsim-pianarana ho an’ireo Oniversite manerana ny Nosy.
Mateti-pitranga anefa ny olana fandohavana vatsim-pianaran’ny mpianatra toa izao. Ary miteraka fitokonana hatrany. Ilaina noho izany ny fitadiavam-bahaolana tena maharitra sy fametrahana paik’ady ahafahana misoroka izany sy hampirindra ny asa eny anivon’ny ministera.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo