• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Mtm
Image
Vaovao

Fifamoivoizana : Fetin’ny Paska ieren-doza

06/04/2023 17:29 © Moov.Mg

Manatanteraka hetsika fanentanana momba ny fifamoivoizana ieren-doza ny eo anivon’ny ministeran’ny Fitaterana ankehitriny.

Andro vitsivitsy alohan’ny higadonan’ny fetin’ny paska dia miasa mafy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba hisorohana amin’ny loazam-pifamoivoizana mety hiseho mandritra io fety io.

Andraikitry ny rehetra ny fisorohana ny lozam-pifamoivoizana

Ao anatin’ny hetsika fanentanana izay atoan’ireo tompon’andraikitra dia manamafy hatrany izy ireo fa adidy ary andraikitry ny rehetra ny ezaka hampihenana ny mety ho fisehon’ny loza. Miatomboka amin’ny fanarahan-dalàna sy ny fitandremana (tsy fandehanana mafy loatra) izany fisorohana izany.
Ny tsirairay mihitsy noho izany no mila mahafantatra sy manaraka ireo làlana efa napetraka mba hahafahana misoroka ireo loza mety hiseho eny an-dàlana. Rehefa fety toa izao tokoa manko dia ahitana fiakarana betsaka matetika ireo lozam-pifamoivoizana. Ao ny maratra, ao ihany koa ireo mamoy ny ainy. Azo sorohana tsara anefa izany amin’ny alàlan’ny fitandremana.

Fepetra tokony ho arahana

Nitodika manokana tany amin’ireo Koperativa ny fanentanana. Nampahafantarina azy ireo fa tokony ho ara-dalàna avokoa ny taratasy mahakasika ny fiara alohan’ny hiaingana. Tsara raha vita fitsirihana antsakany sy andavany ihany koa ny mahakasika ny fiara alohan’ny hiainga. Voakasik’izany ny hisatra, ny kodiarana, ny menaka, ny jiro ary ny maro hafa koa.
Ankoatra izay dia tsy maintsy maka « autorisation spéciale » any amin’ny ATT ny fiara fitateram-bahoaka rehetra raha mitondra mpandeha ivelan’ny làlana voasoratra ao anaty « Licence ». Ireo fiara fitaterana mitondra fianakaviana mitsangatsangana no tena voakasik’izany raha jerena. Manentana ny koperativa ihany ko ny eo anivon’ny ministera ny mba hamerana ny isan’ny fiara omena alàlana hanao io autorisation spéciale ATT io.
Tsy azo atao ihany koa ny mitondra olona mihoatra ny isa voalaza ao anaty « licence d’exploitation » ho an’ireo fitateram-bahoaka. Tsy maintsy arahana ihany koa ny famerana ny isan’ny seza ho an’ny zotra nasionaly raha vao mandika faritany. 4x4 izany ho an’ny Sprinter sy ny mitovy amin’izany, ary 3x3 kosa ho an’ny Mazda sy ny mitovy amin’izany.
Ampahatsiahivina hatrany fa olona salama tsara, ara-batana sy ara-tsaina no tokony mamily ny fiara. Mila mpamily roa afaka mifandimby ihany koa raha handeha amin’ny alavirana mihoatra ny 400 km.
Ny fandehanana mafy sy ny fahamamoana eo ampitondrana fiara na moto matetika no mahatonga ny lozam-pifamoivoizana. Entanina hatrany, noho izany, ny tsirairay mba samy hitandrina sy hahafehy tena mba ho fitandrovana ny ainy sy ny an’ny hafa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo