• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Novegasy Awards 2023 : Fanandratana ireo mpisehatra amin'ny sarimihetsika Malagasy

07/04/2023 04:49 © Moov.Mg

Vory lanona ireo mpamokatra, mpikirakira sary ary mpilalao sarimihestika Malagasy omaly tetsy amin'ny Canal Olympia Andohatapenaka. Notanterahina mantsy ny andiany fahatelo tamin'ny Novegasy Awards 2023.

Mpilalao sarimihetsika Malagasy izay mifantoka amin'ny "series" na "novelas" no nomen-danja omaly. Miisa 8 izy ireo no notolorana ny amboara. Ny telo vehivavy, ny telo lehilahy ary nisy ihany koa ny roalahy izay nankasitrahana manokana noho ny fahafehezan'izy ireo ny "personnage" nolalaoviny.
Ireto avy àry ireo nisongadina tamin'izany :
-Vehivavy : Princia (WISA)Joella (WISA) # Paty (Iloaina)
-Lehilahy : Tamby (Iloaina) # Nathan (Iloaina) # Jo (WISA)
-Mahatsikaiky indrindra : Riri na Ravoavy (SANGODINA)
-Ratsy toetra : Gege Rasamoely # Pastera (ZOVY)

Tsy adino ihany koa ny nanolotra fankasitrahana ho an'ireo mpamokatra izay nosafidian'ny mpankafy ny horonantsary novokariny. Rehefa nojerena ny vokatra tamin'ny fifidianana tao amin'ny tambazotran-tserasera dia toy izao manaraka izao ny filaharan'ny horonantsary be mpankafy indrindra :
-Laharana voalohany : WISA
-Laharana faharoa : TSY FOIKO IANAO
-Laharana fahatelo : ZOVY

Natrehan’ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, ny lanonana. Nomarihiny tamin'ny lahateniny fa mbola hitohy ny fampiofanana sy ny fanohanana ara-bola atolotry ny Fanjakana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo