• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Alasora : Naiditra eny Tsiafahy ilay namono nahafaty ny vadiny

20/04/2023 11:37 © Midi Madagasikara

Nalefa eny Tsiafahy avy hatrany omaly hariva ity raim-pianakaviana 39 taona, namono nahafaty ny vadiny teny Ambatonjary Alasora ny alatsinainy teo.

Araka ny fanazavana avy amin’ny polisimpirenena, vokatry ny fananana simba tao an-trano no niandohan’ny tsy fifankazahoana teo amin’ity raim-pianakavina sy ny vadiny. Nisy entana nosimbain’ny zaza ka io nahatezitra ilay raim-pianakaviana ka niitatra tamin’ny fifamaliany tamin-dramatoa. Niakatra ny feo, ary nitohy tamin’ny tabataba izany. Nivoaka tao an-tokantranony ilay rangahy rehefa avy nifamaly tamin’ny vadiny ary izy efa mamo ny toaka sy rongony no niverina tao an# trano ny hariva . Nitohy noho izany ny fifamaliana ary nisy ny fikasihan-tanana nataony tamin’ilay vadiny tamin’io fotoana io izay nampitondra takaitra ity farany. Nokapohin’ilay rangahy tamin’ny zavatra teny an-tanany ilay ramatoa ka voa teo amin’ny lohany. Voa mafy ity farany ary nandeha namonjy fandriana. Ilay raim-pianakaviana kosa namonjy efitra iray hafa ka natory tany. Ny maraina anefa efa ts nisy aina intsony ilay ramatoa noho ny ratra izay nahazo azy. Ilay vadiny kosa toy ny tsy tonga saina, mety noho ny toaka sy rongony. Ireo zanak’izy mivady sy ny mpanampy no niantso ny fokonolona raha vao nahita ny reniny tsy nihetsika intsony. Marihina fa mananjaka telo izy mivady ka ny roa voalohany kambana vao 8 taona monja, ary mbola tena kely ny fanintelony. Nirohotra ny olona vao naheno izany. Efa mahalala ny zava-mitranga rahateo ny manodidina satria efa miady lava izy mivady. Tezitra ny olona ka nikasa hanao fitsarambahoaka, saingy tonga ara-potoana ny polisy nanakana izany. Nosamborina izy io, ary nentina natao famotorana teny amin’ny Sampana ady heloka bevava Anosy. Niaiky ny heloka nataony ilay rangahy ary natolotra ny fampanoavana Ary izao naiditra am-ponja eny Tsiafahy izao. Ireo zanak’izy mivady kosa noraisin’ny fianakaviana aloha, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo