• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Moov_Vaovao
Image
Vaovao

Ambatolampy Tsimahafotsy : Rangahy nisy namono tao an-tranony

20/04/2023 11:51 © Midi Madagasikara

Trano an-dalam-panamboarana no nisehoan’ilay heloka bevava.

Mivezivezy matetika eny ilay rangahy lehibe efa misotro ronono. Ny talata teo izy dia nisafidy ny ho eny an-toerana mba hanondraka ny zava-maintso izay nambolena teny an-toerana. Niainga maraina tamin’ny kodiaran-droa tao an-tranony teny Manjakaray ary nihazo an’I Bemiandalana, anaran’ilay fokontany izay misy ny trano vaovao. Ny tolakandro dia niezaka nahazo azy tamin’ny finday ny zanany saingy tsy nisy namaly mihitsy. Tsy fanaon’ilay rangahy izany ary dia nanapa-kevitra ny zanany ny hijery azy tany an-toerana. Ny tsikaritra voalohany rehefa tonga, nivaha ny vavahady sy ny varavarana. Tao amin’ny rihana ambany no nahita olona izay nivalampatra ary feno rà miparitaka manodidina azy. Naratra be ny teo ambony masony havia. Tsy iza io fa ilay rangahy izay rain’izy ireo. Nentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana iray tao Avarajoro, fokontany izay tsy mifanalavitra teo. Indrisy anefa fa tsy nisy na inona na inona azo natao intsony satria efa tsy nisy aina intsony ny naratra. Rehefa nojeren’ny mpitsabo dia fahavakisan’ny karan-doha noho ny dona mafy, izany hoe ny fidarohana, no nitarika ny fahafatesany. Rehefa natao ny fisavàna rehetra tao amin’ilay trano dia ny kodiaran-droa izay nentiny sy ny findainy no tsy hita. Mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy ankehitriny. Noraisin’ny zandary ny fanadihadiana momba ity raharaha heloka bevava ity.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo